ALAHADY FAHA 12 MANDAVAN-TAONA – Taona A
Mahatoky Andriamanitra ka reseo ny tahotra
Ny lohahevitra iompanan’ny vakiteny aroson’ny Eglizy ho antsika dia ny toe-tsaina tokony ananantsika manoloana ny zava-misy izay mety tsy mifanaraka amin’ny soa atao : ny fanenjehana ny Mpaminany (Vak I : Jr 20,10-13) ; ny aina ritran’ny fahasarotam-piaro amin’ny Tranon’Andriamanitra (Salamo 68) ; ny tahotra mety hanakana ny Apôstôly tsy hilaza izay nolazaina taminy tao amin’ny miafina, satria ilay nilaza izany, Ilay nitory ny marina sy nanao soa hatraiza hatraiza no indro fa maty novonoina (Evanjely), kanefa Izy maty no toy ny voa afafy, ka tonga “soa atao, levenam-bola”, ody fanefitry ny fahafatesana tambin’ny ota (Vakiteny II : Rôm 5,12-15).
Izay mahatsiaro ho notiavina no afaka mitia. Marina izany saingy tsy zavatra mandeha ho azy tsy akory. Voalazan’ny Tenin’Andriamanitra ifampizarana amin’ny alahady faha 10 sy faha 11 fa ireo namindran’Andriamanitra fo no tonga mpitory ny famindram-pony. Ny mpanota antsoiny ho amin’ny hafalian’ny famelàna (Mt 9,3-13), ary ny Apôstôly kosa nantsoiny hitondra ny Vaovao Mahafaly ho an’ny mahantra sy ny malahelo ary nomeny fahefana handroaka fanahy maloto sy hanasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra (Mt 9,36–10,8). “Fony mbola mpanota isika no maty hamonjy antsika i Kristy” (Vak II Alahady 11A : Rom 5, 6-11).
Ny filazana ny marina anefa manelingelina ny olombelona mandrakariva. Raha mijoro hanambara ny marina ireo Mpianatr’i Kristy, raha te ho « feon’ny fieritreretana », ho “conscience” hampahatsiaro ny olona ny tokony hatao, dia mitsangan-ko fahavalon’ny maty eritreritra. Ohatra velona amin’izany ny henontsika tamin’ny vakiteny I (Jr 20,10-13) mikasika ny nanenjehana an’i Jeremia Mpaminany satria toa manelingelina ny fiainan’ny olona zatra ny « mandeha ho azy » izy. I Jeremia moa, mpaminany niaina sy nanatri-maso ny Fahababoana (597 sy 587 tal. K.) dia nampisy heviny vaovao ny fisoronana. Na amin’ny maha taranaky ny mpisorona azy na amin’ny fahitana ny nambaboan’i Nabokodônôzôra an’i Jerosalema sy ny nandorana ny Tempoly dia nahatsapa fa tsy zavatra ivelany loatra ny tena fisoronana sy fitiavana an’Andriamanitra fa « fiainana anaty » iveloman’ny tsirairay sy mila halalinina manoloana ny zava-mitranga izay mazàna manozongozona ny finoana. Indraindray tokoa manko tsy tena fitiavana fa fitiavan-tena (fitadiavana tombon-tsoa sy voninahitra) no hifikirantsika amin’ny « fombam-pivavahana » izay lazaina ho finoana. Tsy sasatra ny Mpaminany mananatra ny vahoaka fa ny fandaozana ny finoana, ny fitokisana amin’ny herin’olombelona sy ny zava-mandalo, ankoatra ny fitondran-tena tsy mifanaraka amin’ny lalàna atoron’Andriamanitra dia mitondra amin’ny “fahafatesana”.
Ny zava-mitranga, na ny mety ho faharavan’izay heverintsika ho ivo sy kitro ifaharana aza, – tahaka ny faharavan’i Jerosalema ho an’ny Jody mpivavaka – dia tsy tokony hampihontsona ny fitiavantsika raha tena mafy orina tokoa. «Ry Iaveh ô, notarihinao aho, ka voatarika. Nosamborinao aho, ka nahery hianao.» (Jr 20,7). Ny antony nanenjehana, namandrihana ary nitadiavana izay hahavoa an’i Jeremia, ka nampidirana azy am-ponja aza, dia noho izy naminany ny faharavan’ny Tanàna sy ny fandoroana ny Tempolin’i Jerosalema… nilaza loza! Saingy izay no maha mpaminany azy, nanoro hevitra mba tsy hitoky afa-tsy amin’ny Tompo. Ary na tsy nanaiky hitoky amin’ny Tompo aza ny olony, ary tanteraka ny faminaniany, dia tsy nanary toky kosa izy. Izany no nahafahan’i Jeremia nihira sy nidera ho an’ny Tompo hatrany (and. 13) na dia mafy sy mihatra aman’aina aza ny fahoriana mihatra (and. 14-15).
Mila fanetrentena sy fitiavana manko vao afaka manohy mitady ny soa sy manantena ny tsara, raha toa ka efa mba nananatra nefa tsy nohainoina.
Tahaka ny zanak’ondry bonaika (אַלּוּף– ’allouf = folaka, animal apprivoisé) hoy i Jeremia (Jr 11,18-20) ny olomarina, ka tsy mahalala izay hahafaty azy akory. Ny teny malefaka sy ny fihatsaram-belatsihy avy eo no entin’ny mpanao ratsy hamongotra azy hatramin’ny voany, tsy ho ety an-tanin’ny velona intsony. Tany Antiokia tany Pisidia dia ny “vehivavy tia vavaka sy ambony toerana” no namporisihan’ny Jody hanenjika an’i Paoly sy Barnabe, hialany amin’ny taniny (Asa 13, 50). Tsy midika inona ny fitiavam-bavaka araka izany raha tsy mazava ny endrik’ilay Andriamanitra ivavahana. Tsy ny olona tafahaona tamin’ny Andriamanitr’i Jesoa Kristy no hahavita hanendrikendrika hanakana ny Apostoly tsy hitory ny Tenin’Andriamanitra.
Tsy izany anefa no hanakana antsika tsy hanao soa sanatria. Eo ny mety ho fahadisoam-panantenana, izay matetika mampikafara fa tsy ho voan’ny mpamitaka amin’ny lainga tsara lahatra intsony, (na sanatria ataon’ny Demony fitaovana mba hanakanana ny Apostoly tsy hitory ny Evanjely tahaka ireo vehivavy tia vavaka sy ambony toerana) ary mety ho tonga hatramin’ny fanidiana ny fo mihitsy aza ny vokatr’izany ka tsy hatoky na iza na iza intsony sy tsy hanasoa ny hafa intsony amin’ny manaraka. Mazava anefa ny torohevitry ny Mpaminany. Tsy tokony hiasa saina amin’izany fa hanankina ny zavatra rehetra (ny ady) amin’Andriamanitra izay mamantatra ny voa, (כִּלְיָה- kil’yāh, siège de l’emotion et d’affection : ny fihetseham-po) sy ny fo (לֵב- lēbh, l’homme interieur: ny atifo mibaiko hanao soa sy haharitra amin’ny fanaovana soa).
Tsy noho ny tombon-tsoa vao handrandraina loatra hoy i Md Paoly no hiderantsika tsy an-kijanona an’i Jesoa Kristy Tompo fa noho ny fitiavany sy ny famindram-pony nasehony fony isika mbola tsy nanan-kery, mpanota sy mpanohitra an’Andriamanitra (Rm 5,1-11, mialoha ny vakiteny II). Raha araka ny Lalàna sy ny Fitsaran’olombelona ihany dia ho mendri-tsazy isika, fa ny fahasoavana kosa no mamela heloka sy manangana antsika ho velona (Vak II : Rôm 5,12-15).
Izany no hahafahantsika manavao mandrakariva ny fanantenana rehefa tojo ny sarotra. Ny fahamatoran’ny fitiavana manko dia izay nasehon’i Kristy antsika teo am-pialana aina : « Andriamanitra o! nahoana no navelanao ho irery aho? » (Mt 27,46 //Sal 22,12) saingy tsy mihozongozona ny fitiavana sy ny fitokisana ilay Ray Fitiavana : « Eo am-pelatananao no ametrahako ny fanahiko » (Lk 23,46 // Sal 31,6).
Mazava àry ny ohatra sy ny hafatra napetrak’i Jesoa ho antsika : manoloana ny zava-manahirana sy ny mafy tsy maintsy hatrehana dia tokana ny safidin’izay milaza ho tia Azy : « ny fanekena« . Tsy ho fitadiavana tany malemy hanorenam-pangady sanatria ny lalam-pahamasinana fa fikatsahana ny sitrapon’Andriamanitra sy fanapahan-kevitra hanatanteraka azy, na an-kasoavana na an-karatsiana, matoky fa “tsy hafoin’Andriamanitra na oviana izay mafy orina amin’ny fitiavany” (Vavaka fangatahana), satria « izay hanaiky an’i Kristy eo anatrehan’ny olona dia hoekeny koa eo anatrehan’ny Ray » (Evanjely). Tsy hodian-tsy hita anefa ny hasarotan’izany satria mazàna satrintsika ny ho faty rahampitso, toy izay ho faty androany ka toa tsy raharahiantsika loatra izay hahafaty ny fanahy fa ny hiadanan’ny vatana no imasoana. Rehefa ao anatin’ny fahoriana lalina sy ny fahantrana tanteraka ianao, toa mandatsa ny lazain’ny Salamo hoe : “mihaino ny mahantra ; ny babo tsy hainy hamavoina” (Sal 68,34 setriny). Tsy tokony hohadinointsika anefa ny ohatra navelan’i Jeremia Mpaminany, voalaza teo, ny amin’ny handalinantsika ao am-po ny Fitiavan’ilay efa tia antsika.
“Ny Mpianatra tsy ambony noho ny Mpampianatra” (and. 24, mialoha ny Evanjely anio). Ambaran’i Jesoa mazava amin’izay te hanara-dia Azy fa tsy misy lalan-kafa ankoatr’izay nosoritany mba hahatongavana any amin’ny voninahitry ny Ray. Ny fanendrikendrehana faran’izay ratsy no niantsoan’ny “olona” an’i Jesoa ho Belzeboba, manao soa amin’ny alalan’i Belzeboba, ka tsy ho latsak’izany no hafitsony izay manelingelina ny tombon-tsoa sy manozongozona ny vahatra hifikiran’ny ratsy. Mazava ny hafatry ny Tompo: Aza matahotra ianareo. Miverina in-3 ao amin’ny Evanjely (and. 26.28.31).
Ny tahotra, izay tsy afa-misaraka amin’ny fiainan’ny olona, dia tsy tokony ho sakana tsy hanaovana izay tokony hatao. Ny very saina sy ny mihevitra ny tenany ho andriamanitra no mihevi-tena ho tsy matahotra, ka mahatonga azy ireo hanao izay hatahoran’ny olona azy. Manampy ho “malina tahaka ny bibilava” ny tahotra, fa raha sanatria kosa tsy voafehy dia hanjary sakana hampiraviravy tanana. Ny fitokisana no hahafahana mandresy azy ary izany no hamafisin’i Jesoa ao am-pon’ny Mpianany: “tsy mioha-bidy lavitra noho ny fody maro ve ianareo” (Mt 6,26)?
Tsy ny tahotra araka izany fa ny fitiavana no tokony hibaiko ny fiainana, ary ny fitiavana lavorary no mandroaka ny tahotra, hoy i Md Joany (1Jo 4,18), ka hanekentsika hotarihin’ilay Fanahy loharanon’aina (2Kôr 5,14). Tsy mora ny miaina ny maha kristianina, indrindra manoloana ny trangan-javatra hiatrehana ny be noho vitsy ka ny sarambabe nisafidy hijanona amin’ny mahazatra, kanefa ny Evanjely miantso ho amin’ny tsaratsara kokoa hatrany. Zavatra iray monja no tokony hatahorantsika : ny fiainana zary fako eo anatrehan’Andriamanitra ka havariny any amin’ny gehena.
Mba hampisy heviny ny fiainana ary dia antsoin’i Jesoa hitory tsy amin-tahotra ny zavatra nolazaina tao amin’ny maizina isika. Ny haizina moa eto dia σκοτία (skotia), tsy hilazana fotsiny ny tsy fahampiana hazavana fa ilazana ihany koa ny mbola tsy fahalavorarian’ny fahalalana an’Andriamanitra, σκότος (skotos), tahaka ireo Apôstôly talohan’ny fitsanganan-ko velona. Antsoiny anefa isika hitory izany amin’ny mazava, amin’ny fahazoana mazava (φῶς– phôs) ny Evanjeliny, satria efa nohazavain’ny Fitsanganany ho velona. Asainy isika hitory fa fahasambarana sy fahombiazan’ny fiainana ny fahafatesana eo ambonin’ny hazofijaliana; araka izany dia tsy tokony hatahotra ny tsy hahomby, na sanatria hatahotra ny tsy hohenoin-teny ka horoahina hiala amin’ny fiaraha-monina na hovonoina ny mpianatra, satria tsy misy na iza na iza afaka hanakana ny fielezan’ny Evanjely (Sal 18).
Izay mandà an’i Jesoa eo anatrehan’ny olona, izay tsy manaiky azy ho rahalahy, tsy manaiky handray ho toy ny mpiray tampo ny zanaky ny Ray, dia mazava loatra fa manala tena tsy ho zanaky ny Rainy. Na handà tsy hahalala azy tahaka an’i Piera aza anefa isika dia mahatoky Izy niantso antsika, sitrany kosa anefa ny hanavaozantsika ny fitiavantsika azy, ka hanaporofoantsika izany amin’ny famahanana, amin’ny fanaovan-tsoa amin’ireo zandriny, ondry ankininy amin’ny Fiangonany.
Izay hanaiky ahy eo anatrehan’ny olona dia hoekeko koa eo anatrehan’ny Raiko, izay mandà ahy dia holaviko koa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra… Manazava izany i Md Paoly, manoratra ho an’i Timote, satria fantany fa tsy mora ny maharitra amin’ny fijoroana ho vavolombelon’i Kristy manoloana ny fanenjehana, indrindra moa rehefa ny sakaiza nitokisana aza nivadika. Ny faharetana (izay velomin’ny fahatsiarovana ny nitsanganan’i Jesoa ho velona) no hiaraha-manjaka amin’i Kristy, hoy izy. Raha mandà an’i Jesoa isika dia tsy maintsy ho laviny, ny fandavana Azy manko dia fandavana ny mety ho fahasambarantsika, ka tsy sitrany izany. Raha toa ka mivadika aminy (ἀπιστέω – apisteô) kosa isika, raha namitaka Azy, na ny marimarina kokoa mamita-tenaka tsy natoky Azy intsony, Izy kosa mijanona ho mahatoky mandrakariva (1Kôr 1,9) satria tsy afaka ny tsy hikatsaka izay maha sambatra antsika Izy, ary matoky antsika mandrakariva, manantena fa ho avy ny andro hanekentsika ny fitiavany (2Tm 2,8-15).
Hanilo antsika anie ny Teniny, hahazoantsika hery hitondra ny hazofijaliana (Evanjely amin’ny alahady faha 13) fa indrindra hahafahantsika mandalina sy manamafy ny finoantsika ho latsam-paka ao anaty fa tsy ho sanatria ho fisehoana ivelany ihany, ka na ho valin-kira mampanjombona ny androm-piainana aza ny salamo setriny (Sal 68) dia tsy hampihontsona antsika satria efa voarotsaka ao am-pontsika tamin’ny Fanahy nomena antsika ny Fitiavana (Rm 5,5) ka mamelombelona mandrakariva ny fanantenana ao amintsika.
Tsara ny hamakiana manontolo ny toko faha 5 sy 6 amin’ny Taratasin’i Md Paoly ho an’ny Kristianina tany Rôma sy ny toko faha 10 n’ny Evanjely nosoratan’i Md Matio mba hahazoantsika ny halehibeazan’ny fitiavana niantsoana antsika. Tsy mandeha ho azy anefa ny valim-babena fa mila finiavana (sitra-po = izay hanaiky ahy), mitaky fandavan-tena (izay tia ny fianakaviany mihoatra noho izaho dia tsy mendrika ahy…) sy fitondrana ny anjara fijaliana…
Hangataka amin’Izy Ray isika mba hamelombelomany ao am-pontsika ny fanajana sy ny fitiavana ny Anarany Masina, ka hahatsiarovantsika sy hitokisantsika lalandava amin’ny fitiavany izay tsy mivadika mandrakizay.
Andriamanitra Ray ô, Ianao manafaka ny fanahin’ny mahantra tsy ho eo am-pelatanan’ny ratsy fanahy; ary ny Zanakao Mpamonjy anay nampatoky anay tsy hatahotra an’izay mamono ny vatana. Koa mba ampanalaviro anay izay loza mety hanimba na ny ratsy mety hamery, satria tsy ny hahafaty no sitrakao, fa ny hahavelona anay mandrakizay. Ary ny Fanahinao Masina anie hankahery anay hatoky Anao tanteraka, ka hanoheranay ny herin’ny mpisompatra. Amen (Vavaka manokana alahady 12A)