Alahady faha-11 Taona A mandavan-taona
- Eksaody 19, 2-6a
- Salamo 99
- Romana 5, 6-11
- Md Matio 9, 36 – 10, 8
Ianareo no Fanjakana Mpisorona.
Onena i Kristy « nahita ireto vahoaka be nijaly sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry » (Mt 9, 36). Onena Izy. Izany dia entina ilazana ny fitiavan-Andriamanitra toy ny reny miteraka izay kitapo nifonosana, entina andinihana ny fitiavan’Andriamanitra oharina amin’ny fitiavan’ny reny : ilay nisotro ny rano tsy tiana sy niankin-drindrina irery. Ny rahamim izay mazàna adika hoe Famindram-pon’Andriamanitra dia oharina amin’izany fitiavan’ny reny izany. Ny rāḥamîm manko dia azo avy amin’ny raḥam, izay ambaran-ny splanchnon (splanchnon) midika hoe tsinay, tranon-jaza, manome ny splanchnizomai (splanchnizomai) izay adika hoe onena dia entina ilazana ny fitiavan’Andriamanitra toy ny reny miteraka izay kitapo nifonosana.
Raha nanao izay tiany hatao manko ny reny dia mety ho afa-jaza ka ny fitiavany io zaza tsy manan-tsiny, saingy tsy fantatra akory izay ho aviny na ho hendry na haditra, no hiaretana ny mafy satria tiana. Ny ho kilemaina sy ny ho sampona izao dia manjary olana sy matetika manosika amin’ny fanalan-jaza, satria ny mahafinaritra (bien être) sisa no heverina ho fiainana!
Izany koa no hamafisin’i Md Paoly amintsika ao amin’ny vakiteny II (Rom 5, 6-11) hoe fony isika mbola tsy manan-kery [ἀσθενής (a-sthenès) tsy manan-kery, osa], mbola mpanota [ἁμαρτωλός (hamartôlos), mpanota matevin-koditra], mbola fahavalo [ἐχθρός(echthros) = mpanohitra, fahavalo]no maty tamin’ny fotoana voatendry i Kristy. Izany rehetra izany dia entin’i Md Paoly hilazana ny fiainany manokana (sy ny fiainantsika ihany koa) fa ilazana koa ny halehibeazan’ny Fitiavan’Andriamanitra antsika. Midika ilay fitiavana maimaim-poana hitiavan’Andriamanitra antsika izany. Mba firy, hoy i Paoly, no mahafoy tena hisolo ny meloka? Tsy hadalana ve izany? Hanitsoka ny tsy manan-keloka aza hatao! Firy ny Raiamandreny na ny Mpanabe mahavita manetritena hisoloheloka ny zanany raha maditra ? Toa manatsiny izany ny fahendren’ny Ntaolo Malagasy. Tsy misy mamy toy ny zanaka, fa raha manaiki-nono hakifika ihany! (Ohabolana Malagasy)
I Moizy koa nodidian’YHWH hanafatrafatra ny vahoakany hahatsiaro lalandava ny nataon’ny Tompo tamin’izy ireo! (Vakiteny I) Fahatsiarovana tokoa ny fitiavana! Vao avy nankalaza ny Fo Masin’i Jesoa isika, hahatsiarovana ny fomba hitiavan’Andriamanitra antsika. Fa ny Fiantsoan’Andriamanitra kosa dia fiantsoana ny taranak’i Jakoba sy ny zanak’Israely : fantatsika fa i Jakoba ihany no Israely, saingy hilazana ny herin’Andriamanitra manampy ny hafanam-pon’olombelona. יַעֲקֹב (Ya`ăqob = nihazom-boditongotry ny rahalahiny, jereo Jen 25, 26) izay tian-dreniny (v. 28) ary יִשְׂרָאֵל (Yisrā’ēl = niady tamin’Andriamanitra, ilay anarana vaovao, jereo Jen 32, 28) ilay anarana vaovao tao Panoela (mihatrika an’Andriamanitra, izany hoe tao amin’ny fivavahana).
Dia izany tokoa satria mba ho firenena masina dia mila mihaino ny feon’Izy Tompo sy mitandrina ny fanekeny. Izay mandresy no mitondra ny anaran’Andriamanitra (Apok 3, 12) satria nahatandrina ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny andro fitsapana (soratra ho an’ny Eglizy tany Filadelfia =fitiavan-dRahalahy)
Tsy azo hadinoina fa ho an’ny Jody Kristianina no nanoratan’i Matio ny Evanjeliny, koa tsy mahagaga raha manisy tsindrim-peo amin’ny fitoriana ho amin’ny « ondry very amin’ny taranak’Israely ihany« . Zavatra maromaro no azontsika tsoahina avy amin’izany Evanjely izany :
Ny Apostoly, tanisain’i Matio tsiroaroa dia voairaka hihaina ny Fitiavana eo am-pitoriana ny Evanjely. Ny firenena rehetra no ho vory eo anatrehan’ny Fitsaran’Andriamanitra (Mt 25, 32) hihoby azy an-karavoana, sy hihaiky Azy ho Andriamanitra sady hahatsapa ny fitiavany sy ny fahamarinany (Salamo setriny) ka izany no nanirahany ny Apostoly hitory ny Evanjely amin’ ny voary tontolo (Mt 28, 19//Mk 16, 15), miantomboka amin’i Jerosalema (Lk 24, 47).
Midika izany fa zava-dehibe ny fitondran-tenan’izay te-hitory ny hafatr’Andriamanitra. Tsy amin’ny fandalinana ihany ny Soratra Masina fa amin’ny fahatsapana isan’andro vaky ny fitiavany, ka terem-pitiavana hamaly babena, satria tsinontsinona nefa notiaviny.
Toa an’i Matio, henontsika tamin’ny evanjely tamin’ny heriny (fiantombohan’ny Mt 9) nitaona ireo lazaina ho mpanota sy Poblikana hiara-misakafo amin’ny latabatry ny Tompo dia iezahantsika ihany koa ny ho Apostolin’ireo mifanerasera amintsika : ny fianakaviana sy ny mpifanolo-bodirindrina. Tsy azo lavina ny hasarotan’ny fiaraha-miaina, ny havan-tiana tsy hiaraha-monina, hoy ny Ntaolo. Saingy rehefa tsapantsika fa maimaim-poana no nitiavan’Andriamanitra antsika dia hianatra ny hitia maimaim-poana ihany koa isika ka tsy hitady ny tsara sy ny mahafinaritra ihany, na sanatria izay hahitana tombotsoa hotiavina, fa ho Apostoly marina tokoa, vonona ny « hanome maimaim-poana », tsy hiambo ho mahery fa hiventso sy handinika ilay hira hoe : « Matoa aho anie toy izao, eny e! Matoa aho mbola mijoro dia noho ianao Tompo ô, fitiavanao Tompo ô« !
Ny fahatsapana izany fahasarotan’ny lalana izany no hamerenantsika ny vavaka fangatahana satria « nofo sy ra isika ka tsy mahefa na inona na inona, ka mila ny fahasoavan’Andriamanitra hitandremana ny didiny sy hanarahana ny sitrapony na amin’ny hevitra na amin’ny asa« .
Avy nanangana ny maty sy nanasitrana ny jamba roa lahy ny Tompo dia nitondran’ny olona moana sady azon’ny demony ka rehefa voaroaka ny demony dia niteny ny moana. Ny fanandevozan’ny ratsy no manakana antsika tsy hahay mihaino ny Teny mba ho afaka hitory azy. Manoloana izany zava-mahatalanjona izany anefa dia misy ny gaga ka mankalaza an’Andriamanitra, misy kosa ny manamafy ny fony ka mahita holazaina mandrakariva mba hanaratsiana: “ny lehiben’ny demony no androahany demony”. Tsy afaka ny handresy ny hazavana na oviana na oviana anefa ny haizina na dia handà tsy handray azy aza.
I Jesoa àry, manoloana izany, tsy kivy fa manohy mitety tanàna, mampianatra, mitory ny Evanjely ary manasitrana (Mt 4,23, nitety an’i Galilea manontolo, izao mitety ny tanàna sy ny vohitra rehetra – κώμη – kômè). Ambaratonga telo tsy afa-misaraka ireo. Ny fampianarana ao amin’ny sinagôga, miainga avy amin’izay mahazatra ny olona, manitsy izay mety tsy mifanaraka amin’ny tena izy, mba hahafahana mitory ny fanjakan’Andriamanitra. Tsy afa-misaraka amin’ny fikolokoloana ny rahalahy azon’ny aretina sy ny rofy koa anefa ny fitoriana ny Evanjely. Azo heverina fa izany no antony nahatonga an’i Jesoa haniraka hilaza amin’i Joany izay zavatra re sy hita (Mt 11,4), izany hoe hanambara ny fifanarahan’ny fampianarany teny an-tendrombohitra (Mt 5-7) sy ny fampiharany izany tamin’ny andavanandrom-piainana (Mt 8-9).
Ny Eglizy dia tsy maintsy mampiseho mandrakariva fa tsy mifampisolo fa mifameno ireo zavatra roa ireo: “tsy tsara, hoy i Md Piera, raha ilaozanay mikarakara ny sakafon’ny mahantra ny fitorian-teny” (Asa 6,2). Tsy fanilihana andraikitra izany sanatria fa fampahatsiahivana ny ambaratonga tokony hananana amin’ny firosoana amin’ny finoana. Katsaho aloha ny fanjakan’Andriamanitra dia homena anareo ho fanampiny ny sisa rehetra, hoy i Jesoa (Lk 12,31).
Raha ny “fitiavan’Andriamanitra antsika olombelona” no votoatin’ny Evanjely, dia mazava loatra fa mifanaraka amin’izany ny fomba fiaina sy ny fomba fisainan’izay vontony. Tsy mahagaga àry raha onena i Jesoa mahita ny vahoaka mijaly sy afoy toy ny ondry tsy misy mpiahy. Onena : σπλαγχνίζομαι (splanchnizomai, miverina in-dimy ao amin’i Matio: 9,36; 14,14; 15,32; 18,27; 20,34 fa efa ampiasain’i Marka ihany koa Mk 1,41; 6,34; 8,2; 9,22). Io no nandikana ny רַחוּם – (raḥoum). Izay mandray ny fampianaran’i Jesoa dia hahafantatra fa tsara fo sy miantra Andriamanitra (Eks 34,6). Tsy vitan’ny hoe mamindra fo Izy (רַחוּם- raḥoum) fa tsy afaka ny ho faly ary tsy mionona raha tsy mahita ny zanany miadana sy finaritra (חַנּוּן- ḥannoun). Ary izay te handova ny Fanjakany (te hiray aina amin’i Kristy zanany) dia hiala amin’ny toe-tsaina manavakavaka tahaka ny Farisianina (Φαρισαῖος – pharisaios, פָּרַשׁ – pārash: manavaka, manasaraka) izay mihevitra ny tenany ho ambony noho ny hafa ka mitady izay fomba rehetra hanaratsiana izay mahavita soa bebe kokoa noho izy ; ny zanaky ny fahazavana dia tsy afaka ny ho faly manoloana ny fahorian’ny hafa, na fahoriana ara-panahy io na fahoriana ara-batana, ka hitady izay fomba rehetra hanasoavana azy ireo.
Ambaran’i Md Matio anefa, fa na manoloana ny horakoraky ny vahoaka, na manoloana ny fialonana sy ny teny ratsin’ny Farisianina, dia manohy ny asany i Jesoa, tsy latsaka amin’ny fakam-panahin’ny voninahitra, sy fieboeboana na sanatria ny hasosorana hitondra amin’ny hakiviana.
Ny antony mampahonena Azy dia satria tsy tanteraka ny vavak’i Môizy ho an’i Jôsoe mba hisy mpiandry hitondra ny vahoakan’Andriamanitra hiditra sy hivoaka ho amin’ny fahasambarany (Fan 27,16-17).
Izy Tompo no mpiandry, porofom-pitiavana Azy no hahafoizan-tena hamahana ny ondriny (Jo 21,15-17) saingy tsy ireo rehetra mamahana ny ondriny no manao izany noho ny fitiavana Azy, ary raha sanatria misongona io fitiavana io ny fitiavam-bola sy ny fitiavam-boninahitra na ny fitiavan-tena dia loza no manjo ny ondry. Ampahatsiahivin’i Jesoa an’ireo te hanara-dia Azy fa Andriamanitra no maniraka mpiasa hikarakara ny ondriny, tsy manira-tena izay mankeny an-tanimboly fa vokatry ny vavaka atao amin’ny Tompom-bary mba “haniraka” ny mpiasa hitondra ny vokatra any an-tsopitra. ἐκβάλλω (ekballô) moa no nadika hoe « maniraka », fa raha ny tena marina dia hoe manipy any ivelany, ary azo adika hoe: manery mihitsy aza. Tsy hambom-pon’ny mpianatra sanatria fa sitrapon’ny Ray, ary fitokisana Aminy (mandidy ny iraka) no hahafahana miasa ao amin’ny tanim-boalobony. Mila mivavaka araka izany, satria izay miombon’aina amin’Andriamanitra ihany no afaka hitia ny hafa araka ny fitiavan’Andriamanitra.
Izay tsy afaka mandre fa marenina dia tsy afaka miteny sy mitory ihany koa. Izay tsy mahatsapa fa notiavina ve ho afaka hitory ny Fitiavan’Andriamanitra! Mazava loatra araka izany fa izay tsy mijinja ao amin’izay novokarin’ny Fanahy dia tsy hamahana ny ondry amin’ny hanina avy amin’Andriamanitra fa hanao hala safay ihany ny valim-pitia angatahin’ilay Mpiandry ondry tokana amin’izay milaza fa tia Azy (Jo 21). Io no lazaiko matetika amin’ireo mpiofana ho pretra hoe sao sanatria mofo dipaina no homena ny ondry! Vilona no fihinany.
Izany no mahatonga an’i Paoly hilaza fa ny fitiavan’i Kristy no manery ny Apôstôly (2 Kor 5, 14) ka loza ho azy raha tsy mitory ny Evanjely izy (1 Kor 9, 16). Evanjely no toriana satria ny vokatry ny Fanahy no ho jinjaina. Ny fitiavana no vokatry ny Fanahy (Ga 5,22) ka ny mamafy fitiavana ao amin’izay tsy misy fitiavana no anjarantsika mba hiotazana fitiavana (Md Jean de la Croix). Tsy misy mpijinja tsy ho faly amin’ny fahabetsahan’ny vokatra. Fiainana sy fanantenana mandrakariva araka izany no hameno ny fo sy hampisokatra ny vava amin’ny asa fitoriana. Ny fanekena ho entanin’ny Fanahy no mampitombo ao am-pontsika ny fitiavana hahafahantsika hibanjina ny fahavokaran’ny asan’Andriamanitra manomana antsika ho mendrika ny fiainana mandrakizay.
- Md Matio 10, 1-7
Niantso ny mpianany 12 i Jesoa, nomeny fahefana ary nirahiny hitory fa efa akaiky ny Fanjakan’ny lanitra. Mαθητής – mathètès, izany hoe mpianatra, dia satria nanaiky ny hiara-mitoetra amin’ny mpampianatra ka hianatra Aminy ny zavatra rehetra, hamolavola ny toe-tsaina hitovizana amin’ny mpampianatra. Ny fandraisana ny fahazavana avy Aminy no hahafahan’ireo mpianatra handresy ny haizina. Ny fitiavana no mandresy ny fankahalana ary hahafahana manokan-tena hikolokolo ireo zohìn’ny aretina sy ny rofy.
Samy manana ny anarany avy ireo Apôstôly. Tanisain’i Matio tsiroaroa izy ireo, satria voaantso hiaina ny fifankatiavana sy ny firahalahiana. Tsy olona niavaka tamin’ny fiaraha-monina ireo ary ny ankamaroany aza olona dia tafiditra lalina tamin’ny resa-bola sy ny adilahy politika. Ireo Mpianatr’i Joany Batista efa-dahy no manomboka ny fitanisana : ny voalohany (πρῶτος – prôtos, tsy amin’ny fiantsoana fa amin’ny andraikitra, satria i Andre rahalahiny no voaantso voalohany) dia i Simona (שִׁמְעוֹן, Shim`ôn: ilay mahay mihaino), izay antsoina hoe Piera (Πέτρος – Petros, vato harafitra) sy Andre (Ἀνδρέας– Andreas, lehilahy, anaraka grika) rahalahiny; i Jakôba (יַעֲקֹב– ya‘ăqobh: mpamingana) zanak’i Zebede (זַבְדִּי– zabdî, nomen’Andriamanitra) sy i Joany (יוֹחָנָן- yôḥānān, fahasoavan’Andriamanitra); i Filipo (tia soavaly, anaraka grika) sy i Bartelemy (zanaky ny mpiasa); i Tomà (תָּאוֹם, – tā’ôm, ilay Kambana) sy i Matio (fanomezan’ilay mandrakizay); i Jakôba zanak’i Alfe (mandalo vetivety, miovaova, mora soloina) sy Tade (maherifo); Simôna kananeana (mafana rà, mafana fo) sy i Jodasy (יְהוּדָה – yehoudhāh, ankalazaina anie Andriamanitra) Iskariôta (avy any קִרְיָא– Qiriā’ – Qiriath),ny Zelôty mafana fo indrindra amin’ny fikomiana ho an’ny tanindrazana, fa mety avy amin’ny שָׁקַר- shāqar koa izay izay midika hoe manome tsifoifoy, mamitaka) ilay hanolotra (παραδίδωμι – paradidômi, fa nadika hoe hamadika) an’i Jesoa.
Mialoha ny handehanana any ivelany any amin’ny tanànan’ny Samaritanina sy ny firenena rehetra (Mt 28,19), dia ao amin’i Israely, eo anivon’ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina misy aloha no tsy maintsy hitoriana sy hiainana ny Evanjely. Ny fandraràna tsy handeha any amin’ny lalan’ny Jentily dia azo heverina ihany koa hoe fandraisana ny fampitandreman’i Jeremia Mpaminany hoe: “Aza mianatra ny fitondrantenan’ny (דֶּרֶךְ– derek, lalana) firenen-kafa”, satria voaantso ho fanasina sy fahazavana.
Eny am-pandehanana [Πορευόμενοι– poreuomenoi: Mt 10,7 BYZ), participe présent du πορεύομαι– poreuomai) izay nadika hoe “Raha mandeha ianareo”], izany hoe eo am-panohizana ny lalana efa natomboka no hitoriana ny Fanjakan’ny Lanitra. Tsy mbola mahatratra ny fahalavorariana ny Apôstôly, saingy mizotra ho amin’izany ary mitory (κηρύσσω – kèrussô), mijoro ho vavolombelon’ny Fanjakan’ilay Ray mamondrona ny zanany, mamondrona ny ondry very, ho fianakaviana iray miaina ny fahafahana, ny hafaliana sy ny fiadanana.
Hitombo ao amintsika tsirairay avy anie ny faniriana ho tonga mpianatr’i Kristy ka ho vonona hitory ny Evanjeliny amin’ny toe-piainana asehontsika amin’ny fiainana andavanandro.
Ry Andriamanitra Ray ô, tianao ho fanjakana mpisorona ho Anao izahay, tianao ho firenena masina voatokana ho Anao, ka nanirahanao ny zanakao lahitokana hanorina ny Eglizy anjakanao. Izy Zanakao kosa niantso roambinifolo lahy ho Apôstôly, ary naniraka Azy ho solontenany : ho mpampianatra sy ho mpanamasina, ary ho mpiandry ondry. Koa enga anie izahay mba homenao ny Fanahinao Masina sy Apostoly mpitari-dalana mandrakariva, hahatonga anay ho Kristy velona eo anivon’ny vahoaka manodidina anay, amin’izao vaninandro misy anay izao. Amen.