Trinitera Malagasy
31 desambra

31 desambra

Njara Pascal
  • 1 Joany 2,18-21
  •  Salamo 95
  •  Md Joany 1,1-18

Mifarana ny taona fa mitohy ny fiainana. Ary izay no hafatrafaran’ny vavaky ny Fiangonana amin’ny lamesa anio. Ny fahaterahan’i Jesoa, ny Noely ankalazaintsika, izany hoe ny Misterin’ny Teny Tonga nofo, izay lazain’i Joany ao amin’ny Evanjely, no nataon’Andriamanitra ho fototra iorenan’ny fivavahana ary mitondra azy amin’ny fahalavorariana, amin’ny maha-vahoakan’Andriamanitra antsika (vavaka fangatahana). Izy Andriamanitra no loharano ipoiran’ny fitiavam-bavaka sy ny fiadanana marina (vavaka fanolorana) ka mitantana antsika hahazo fanafody avy amin’ny fitiavany, ka rahefa ankahereziny sy alany alahelo ety an-tany dia miezaka bebe kokoa amim-pitokiana ho tody any amin’ny fonenana mandrakizay (vavaka aorian’ny kômonio).

Fanao ny jery todika rehefa mifarana ny zavatra iray. Ary ny jery todika hanentanan’ny Fiangonana antsika amin’ny Taona diavina dia hoe, i Kristy tokoa ve no niandohan’ny fiainantsika, ny niandohan’ny fanisàna ny androntsika, misy fahatsiarovana Azy izay ivon’ny tantara ve ny taona vaovao andrasantsika?

Na ny kristianina na ny tsy mpino dia mankalaza io taona io, saingy vitsy no mahatsiaro fa i Kristy no ivo ankalazaina eo. Ilay teny tonga nofo no hifaliantsika satria na ny taona 2000 idirantsika aza ohatra, dia taona faha-2000 “aorian’i Kristy”. Dia atao ahoana moa fa dia tavoahangy sy alim-pandihizana no hiandrasantsika azy. Hafaliana ao Aminy ve izany? Hafaliana mampiombona ve? Dia hampiova ny fiainantsika ho tsara ve ny “manala azy indray alina”, ary raha sanatria an’izany diso tafahoatra, na diso bosaka dia mihevitra ve isika fa mba mikônfesy kely dia vita?

Ny lainga rehetra dia tsy avy amin’ny marina, hoy i Md Joany, ary indraindray tsy lainga avy amin’ny olona ihany no mahavoa antsika fa lainga avy amin’ny lamaody, avy amin’ny fanjakan’ilay andriamanitra “mamôna”, ka mahasondriana vetivety, fa avy eo mamela mangidy tsy hay tohaina ho an’ny fiainana manontolo. Ny teny no manavaka antsika amin’ny biby hafa: natao hampitana fahalalana sy hifandraisana, hampivoarana ny asa sy ny fiaraha-monina, hampitomboana ny firaisan-kina sy ny fahafahana, saingy mety koa ampiasan’ny olona hamitahana sy hampiadiana, hitsikerana mba hamotehana, hiarovana ny tombontsoa manokana sy hanandevozana ny hafa. Ny teny, tokony ho fiainana dia mbola lozaloza kokoa noho izany, raha tsy mifanaraka amin’izay lazaina ny atao.

Ahoana ny fiheveran’ny tsy mpino ny fihetsiky ny kristianina, mitory ny fitiavan’Andriamanitra sy ny fitiava-namana, kanefa mandany misimisy kokoa amin’ny fiandrasana ny taona vaovao noho izay mba rakitra na fanomezana mba omena ny mahantra ny andro Noely? Azo inoana ve fa ny fitiavan’Andriamanitra sy ny fitiavan’i Kristy tokoa no manjaka ao amin’izy ireo?

Isika no noharian’Andriamanitra mba haneho ny endriny ary hibanjina ny fitiavany ka hanahaka Azy. I Adama moa efa niafina tsy te hijery ilay endrika fitiavana nahary azy satria menatry ny nataony, tamin’ny tsy fitokisana ny teniny. Ilay Adama vaovao kosa anefa nanaiky ho tonga olombelona, mba hampamirapiratra indray ilay endrik’Andriamanitra. Izy no ilay Teny nahariana ny zavatra rehetra, ilay Teny nahariana antsika, Andriamanitra nahary antsika, tonga nofo toa antsika mba hahatonga antsika koa ho zanak’Andriamanitra.

Izay mandray ny Teny ho fahazavana ihany anefa no omena ny fahazoana ho tonga zanak’Andriamanitra. Tsy manery ny fitiavana: isika no misafidy na “tso-drano na ozona” (Dt 11,27), na fiainana na fahafatesana (Dt 30,15). Ny fibanjinantsika ny voninahitr’ilay Teny tonga nofo ka hakantsika tahaka azy manao soa hatraiza hatraiza no lalana miditra mankamin’ny fahasambarana. Ny lalan’i Môizy dia mitondra antsika ho amin’izany hafenoan’ny fitiavana izany. i Jesoa no ilay Môizy vaovao hitondra antsika any amin’ny tany nampanantenaina.

Ny Fanahy Masina no mahatonga nofo ao amintsika ny Teny, ary afaka mampiboiboika ao am-pontsika ny fitiavam-bavaka sy ny fiadanana marina (vavaka fanolorana) izay mifototra amin’ny fahatongavan’i Kristy ho nofo. Hitalahoantsika izy mba hanilo ny fiainantsika ka tsy ho resin’ny lainga afitsoky ny rivomaherin’ny rendrarendra sy ny ankoso-bolamenan’izao tontolo mandalo izao.

Mirary ho anao taona vaovao isaina manana an’i Jesoa Kristy ho ivony.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
1 janoary: Masina Maria Renin’Andriamanitra
PREVIOUS
30 desambra
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia IV Paka
  • Talata IV Paka
  • Alatsinainy IV Paka
  • Sabotsy III ny Paka
  • Alarobia III Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia IV Paka 13 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.