Trinitera Malagasy

Njara Pascal

Talata faha-22 mandavan-taona

  • Ankasa: 1 Kôrintianina 2,10b-16 /Salamo 144/
  • Tsy ankasa: 1 Tesalônisiana 5,1-6.9-11/Salamo 26
  • Md Lioka 4,31-37

Rehefa noroahin’ny olona tao Nazareta, tanàna nahabe Azy i Jesoa dia nidina tany Kafarnaoma, tanànan’ny fanalana alahelo, ka nampianatra ny olona isaky ny sabata (ἐν τοῖς σάββασιν – en tois sabbassin: datif pluriel), ny andro natao hialana sasatra no manjary fanovozana hery avy amin’ny fampianaran’ilay Teny nahariana ny zava-drehetra, ka izay manaiky Azy, izay mino fa “anio” no tanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra, dia afaka hanandrana sahady ny fahasambarany. Tsy misy diso anjara amin’ny fampianarany anefa satria efa nampianatra Izy, eo am-pampianarana ary mbola hanohy hampianatra isaky ny Sabbath (ἦν διδάσκων, – èn didaskôn: gérondif à l’imparfait).

Mahagaga ny olona ny fampianarany. Izay tsy gaga amin’ny fampianarany dia tsy afaka hanapa-kevitra handray (na sanatria handà) azy. Ny fahafahana migaga no hahafahana manokatra ny fo sy ny fanahy amin’ny tsiokan’ny Fanahy, ka hahafahana mihavao ao Aminy (Rm 12,1-2). Ny figagàna dia manokatra amin’ny mistery ka hahafahana mandray izay tsara atolotry ny hafa ho harena. Ny fitia te hahalala (curiosité) kosa dia zary fanararaotana ny hafa fotsiny hanangonana izay heverina ho harena. Raha ianao anefa no hametra ny haben’ny harena heverinao hangonina dia lehibe manakory ny fahavoazana sy ny fatiantoka. Izay afaka migaga eo anatrehan’ny Tenin’Andriamanitra no afaka hitombo, tsy araka ny nahìny, fa araka ny sitrapon’Andriamanitra.

Izay tsy afaka migaga amin’ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra dia ireo antsoin’i Marka sy Matio hoe “mafy fo”, satria tsy handray ny Teny amin’ny maha harena sarobidy azy fa hampiasa azy ho fitaovana hitadiavana ny tombontsoan’ny tena sy izay mety hampiavonavona. Ny fampianaran’i Jesoa, hoy i Md Lioka dia miaraka amin’ny fahefana (ἐν ἐξουσίᾳ – en eksousia), dia ny fahefan’Andriamanitra ary ny Teniny kosa dia nahatera-kovitra ny rehetra satria ombam-pahefana sy hery (ἐν ἐξουσίᾳ καὶ δυνάμει – en eksousisa kai dunamei). Io ilay “Tenin’Andriamanitra velona sy mahery, ka maranitra noho ny sabatra roa lela” (Heb 4,12), mampangìna ny fanahy maloto, “mampihanjahanja azy” (Heb 4,13) ka afaka mandroaka azy, satria manana fahefana hitondra fahafahana ho an’izay rehetra itoriana ka mandray azy.

Mandresy ny ratsy mandrakariva ny Tenin’Andriamanitra, satria mampiseho amintsika ny haratsiany, tahaka ny hazavana manoloana ny haizina. Tsy azo adinoina fa olona iray tao amin’ny sinagôga no azon’ny demony maloto. Mampandinika antsika izany satria tsy hoe mamonjy fiangonana, na mpivavaka alahady isika dia afaka hirehareha amin’izany. Izay rehetra tsy tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra dia ampijalian’ny fanahy maloto. Ny fahalalany ny “fahamasinan’i Jesoa” ilay tonga handrava (ἀπόλλυμι – apollumi) ny asan’ny maizina dia mahatonga azy hikiakiaka tamin’ny feo avo (φωνῇ μεγάλῃ, – phônè megalè – mega-phone). Ny mampalahelo dia ny mahita ny olona ampiasain’ny fanahy maloto, ka tonga fitaovana entin’i Satana miteny ratsy an’Andriamanitra. Tsy ilay olona manko no miteny fa “ireo fanahy monina ao aminy: “tonga handringana anay va ianao?”.

Mahalala ny momba an’i Jesoa ny demony, mahasahy milaza fa Izy no “ilay Masin’Andriamanitra”, saingy hafa ny heviny, tsy ny hamonjy miaraka amin’Andriamanitra no sitrany fa ny hamatotra ka hitondra amin’ny fahafatesana ny olombelona. Mino an’Andriamanitra ny demony ka mangovitra, hoy i Md Jakôba (Jak 2,19). Ny demony miteny “au pluriel” amin’ny filazana ny asan’Andriamanitra handrava azy, saingy “au singulier” kosa amin’ny fiekem-pinoana: “fantatro” (οἶδά, εἰδῶ – oida, eidô); i Jesoa koa, miteny aminy “au singulier » : « mangìna ianao ary mivoaha » (φιμώθητι καὶ ἔξελθε – phimôthètu kai exelthe / φιμόω – ἐξέρχομαι – phimoô – exerchomai). Tsy ilay marary niara-niteny tamin’ny demony intsony, ka natahotra an’Andriamanitra ho mpanapotika azy no itenenan’i Jesoa, fa ilay ratsy, nahatonga azy ho “maloto”, nandoto ilay endrik’Andriamanitra masina nahariana azy.

Ny Tenin’Andriamanitra dia “fanilo ho an’ny tongotra sy hazavana ho an’ny lalana” (Sal 119, 05), “mahatonga ny alina ho toy ny andro” (Sal 139,12), ka mampiseho ny ratsy amin’ny maha ratsy azy, hampivoaka ny demony, tsy handratra ilay nampijaliany fa hamerina azy kosa eo anivon’ny olona. Ho haintsika koa anie ny handray ny Tenin’i Jesoa ka hanesorany ao anatintsika ao izay rehetra mbola fahalotoana tsy mampamirapiratra ny maha endrik’Andriamanitra antsika.

Partager :

  • Cliquez pour partager sur WhatsApp(ouvre dans une nouvelle fenêtre) WhatsApp
  • Cliquer pour imprimer(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Imprimer
  • Cliquer pour envoyer un lien par e-mail à un ami(ouvre dans une nouvelle fenêtre) E-mail
  • Article
  • Cliquez pour partager sur Telegram(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Telegram
  • Cliquez pour partager sur Reddit(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Reddit
  • Cliquez pour partager sur Threads(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Threads

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alarobia faha-22 mandavan-taona
PREVIOUS
Alatsinainy faha-22 mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alakamisy faharoa mandavan-taona
  • Alarobia faharoa mandavan-taona
  • Talata faharoa mandavan-taona
  • Alatsinainy faharoa mandavan-taona
  • ALAHADY FAHA 2 MANDAVAN-TAONA – TAONA A

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    janvier 2026
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Déc    

    Archives

    Articles récents

    • Alakamisy faharoa mandavan-taona 22 janvier 2026
    © 2026   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.