28 Oktôbra : Fankalazana an’i Md. SIMONA sy JODA, Apôstôly(Taonjato voalohany)
- Efeziana 2, 19-22
- Salamo 18
- Md Lioka 6, 12-16
“Tsy hoe mitovy asa na hevitra, na toetra ny Apôstôly raha nantsoin’ny Tompo sy nofidiny ho Apôstôly, koa na iza na iza dia samy afaka mijoro ho vavolombelon’i Kristy avokoa. Tao ny mpanarato toa an-dry i Md. Piera; tao i Md. Matio mpamory hetra, tao i Md. Simôna mpitarika antoko pôlitika sady mafana fo ka izany no nanomezana azy anarana hoe Zelôty. Tao i Joda ankalazaina miaraka aminy anio nantsoina hoe Tade na « ilay be herim-po »; izy no ilay Joda rahalahin’i Jakôba samy havan’i Jesoa, sy nanoratra Taratasy Iray voarakitra ao amin’ny Testamenta Vaovao. Samy nitory an-kasahiana an’i Jesoa maty sy nitsangan-ko velona toy ny Apôstôly namany rehetraizy roa lahy ary samy maty martiry koa. Na iza na iza isika kristianina, na lehilahy na vehivavy, na kely na lehibe dia mijoroa ho vavolombelon’ny finoana, indrindra amin’ireo manodidina antsika mivantana” (Sorona Masina andavanandro takila 1691).
Ao amin’ny fiombonana amin’ny Eglizy, miorina ambonin’ny vatofototra izay manana an’i Kristy ho fehizoro no ahazoana antoka fa tsy miasa foana isika fa sady mirindra no ho mendrika amin’ny maha-tempolin’Andriamanitra, hahafahana misantatra sahady ny fiderana Azy any amin’ny mandrakizay.
Tsy teny lazainy, tsy volana ambarany, hoy ny Salamo 18, kanefa miely tsy tana ny hafatra entiny. Satria izany fiombonana mirindra, sady mampiombona antsika samy isika no mampiombona antsika amin’Andriamanitra no fijoroana ho vavolombelona tsara indrindra, ary i Jesoa rahateo no milaza fa “ny fifankatiavana aseho” no hahafahan’izao tontolo izao mahalala ny mpianany (Jo 13, 35).
Taorian’ny filazana momba ny Sabata, andro hanaovan-tsoa, dia nivoaka teny an-tendrombohitra i Jesoa mba hivavaka ary nivavaka tamin’Andriamanitra Ray. Raha raisina tsirairay ireo teny ampiasain’i Md Lioka dia manampy antsika kosa hahazo ny halalin’ny fampianarana tiany ampitaina.
Nivoaka i Jesoa, nanao ny “exode”, mba hiakatra (ἐξέρχομαι– exerchomai) eny amin’ny tendrombohitra. Eny an-tendrombohitra no toerana hihaonana amin’i YHWH, eny no nandraisan’i Môizy ny Teny Folo, eny no toerana hivavahana amin’ilay tena Andriamanitra marina. Izay mibanjina ny endrik’ilay Andriamanitra marina ihany no afaka hitoetra amin’ny hazavana ka hahavita handoaka alina, tsy hatahotra ny haizina satria “zanaky ny fahazavana”. Izay tsilovin’ny hazavan’ny vavaka marina ihany no afaka hitozo hiandry ny andro vaovao satria velomin’ny fanantenana.
Mialoha ny hihaonany amin’ny vahoaka eny amin’ny tany lemaka dia nifidy 12 lahy, antsoina hoe Apôstôly, iraka, i Jesoa. Olom-bitsy no anankinan’Andriamanitra ny iraka hamonjeny ny vahoaka, mba tsy hahafahan’izay voairaka mirehareha amin’ny herin’ny sandriny, tahaka ny nataony koa tamin’i Jedeona fahiny raha hanafaka an’i Israely teo an-tanan’ny Madiana. Ny voalohany sy ny farany amin’ireo Apôstôly aza (Simôna Piera sy Jodasy Iskariôta) dia mpandà sy mpamadika (mpanolotra). I Jakôba izay tonga Israely aza moa, rehefa nazava ny andro, nandringa (Jen 32,32) ary tsy mahagaga raha Apôstôly tsy tonga lafatra no sitrak’i Jesoa hanankinana ny Eglizy, saingy Apôstôly tsy maintsy hiara-midina Aminy avy eny an-tendrombohitra. “Tsy ny mahavita zavatra, fa ny nanao azy tamin’ny anaran’ny Tompo” no hafalian’ireo mpianatra ireo, hoy ny Papa tamin’ny fihaonany tamin’ny Pretra sy Relijiozy Malagasy (08 septambra 2019).
Ireo no Apôstôly, iraka : Simôna 2, Jakôba roa (ny iray zanak’i Alfeo rain’i Levì ao amin’i Mk 2,14), Jodasy 2, miaraka amin’i Andre sy Joany, Filipo sy Bartelemy, Matio sy Tomà. Anarana[1]sy toetra samihafa, saingy avondron’ny “iraka” iray noho ny firaisana aina sy vavaka amin’ilay miara-midina amin’izy ireo avy eny an-tendrombohitra: hitory ny Evanjely amin’izao tontolo izao.
Izay nahazo ny hazavana avy amin’ny vavaka, niara-nidina tamin’i Jesoa avy eny an-tendrombohitra ihany no afaka hitory ny hatsaran’ny fiakarana amin’ny vahoaka sy ny firenena monina amin’ny lembalemba ka tsy hazoto na oviana na oviana hanao ezaka hiala amin’ny mahazatra ka hananika havoana. Ambaran’i Md Lioka, any amin’ny toko fahasivy fa tsy niantso ny Apôstôly i Jesoa fa namory (συγκαλέω synkaleo= miantso miaraka, miantso hiombona) azy ireo, manamafy izay efa nolazaintsika mahakasika ny vakiteny I.
Izany fiombonana izany no mbola tohizan’ny Eveka aseho miharihary amin’ny fivondronan’izy ireo hiaraka hitondra ny Eglizy. Tsy ny isam-batan’olona araka izany fa ny fiombonany no hahafahany manohy ny asa nanirahana azy. Ny hery (δύναμις dynamis) avy amin’ny Fanahy sy ny fahefana (ἐξουσία exousia) handroaka demony sy hanasitrana (θεραπεύω therapeuo, hikarakara) nomen’i Jesoa ny Apôstôly moa dia lazain’i Lioka fa tanteraka teo anivon’ny Fiangonana, ary tsy iray amin’ireo Apôstôly akory aza no nandroaka demony (fa kosa momba azy, miombona amin’izy ireo) saingy saika nahavelom-pialonana ny Apôstôly (Lk 9, 49, Evanjely Alatsinainy her. 26).
Hitory ny Fanjakan’Andriamanitra sy hanasitrana ny marary no iraka (misiôna na apôstôlà) ankinina amin’ny Apôstôly voalaza eto. Mampalahelo anefa raha sanatria hitanisa ny aretina no andaniana andro fa tsy ny mitady fanafody hanasitranana azy. Betsaka ny mahay mijery ny kilema sy ny zavatra tsy mandeha eo anivon’ny Eglizy fa vitsy no mandany mondron-kery hanao izay vitany mba hanatsarana azy na hanadiovana izay tsy mifanaraka amin’ny Evanjely. Fitoriana fanantenana fa tsy fitsikerana be fahatany no andrasana amin’izay te ho mpianatr’i Kristy ary izany no toe-tsaina tsara amafisina amin’izao fankalazana an’i Md Simona sy Joda izao.
Raha tohizina ny famakiana ny Evanjely dia mitamtatra ireo Mpianatra maro (ὄχλος– ochlos vahoaka be) sy ny vahoaka betsaka (πλῆθος πολὺ τοῦ λαοῦ – plèthos polu tou laou, firenena marobe) eny amin’ny tany lemaka miandry ny hihaino an’i Jesoa ka ho sitrana. Hihaino Azy ka avy amin’ny fihainoana ny teniny sy ny finoana Azy (fanatanterahana izay lazainy eo amin’ny fiainana) no hahazoana fanasitranana. Izay mihaino ka mitandrina ny Didy no ho velona (Dt 11,26-32). Izay tsy mihaino ny Teny dia mazava loatra, handre ny bitsiky ny bibilava ka haniratsira ny hafatr’Andriamanitra. Izany no nidiran’ny fahotana sy ny fahafatesana teto amin’izao tontolo izao, hoy i Md Paoly (Rm 5,12). Ny herin’ny Teny, raha avelantsika haninteraka ny fiainantsika, no manavao sy mitondra fahasitranana tanteraka.
Izay “mikasika” an’i Jesoa kosa dia tafaray amin’ny misterin’ilay Andriamanitra mpamelon’aina, avy Aminy no hahazoantsika fahasoavana miampy fahasoavana, hoy i Md Joany (Jo 1,16), ary hery mivoaka Avy aminy no hahafahana mandresy ny fanahy maloto.
Tsy ny fahendren’izay mpitory teny anefa no inona, izany no ilazan’i Md Paoly fa sitrak’Andriamanitra ny hamonjy ny mpino amin’ny tsy fahamendrehan’ny Mpitoriteny (1Kôr 1,21). I Jesoa no ilay Teny tonga nofo, Teny velona, maranitra tahaka ny sabatra roa lela ka afaka haninteraka ny fon’ny olona rehetra. Hanaiky hovan’ny Tenin’Andriamanitra anie isika.
Andriamanitra ô, ny Apôstôlinao no nentinao hahafantaranay ny Anaranao; koa enga anie ny vavaka ataon-dry Masindahy Simôna sy i Joda mba hampitatra ny Eglizy lalandava hampitombo ny vahoaka mino Anao (Vavaka Fangatahana).
[1]samihafa amin’izay lazain’ny Evanjely hafa aza : i Tade dia nosoloina an’i Jodasy zanak’i Jakôba, lazain’i Joany koa amin’ny Evanjeliny (Jo 14,22).