Trinitera Malagasy
24 aogositra: Md Bartelemy, Apôstôly

24 aogositra: Md Bartelemy, Apôstôly

Njara Pascal
  • Fanambaràna 21, 9-14
  • Salamo 144
  • Md Joany 1, 45-51

I Bartelemy (Zanaky ny bainga nivadika) no heverin’ny mpandinika maro ho ilay Natanaely (fanomezan’Andriamanitra). Misterin’ny finoana ihany no fonosin’izany anarana izany raha izay no izy, satria ilay fisasaran’ny olombelona hamadika ny bainga no nampamokarin’Andriamanitra ho tonga Apôstôly, haneho ny voninahiny eran’ny tany rehetra, hiantso ny olombelona rehetra hizotra any amin’ilay Tempoly, manokatra ny varavarany ho an’ny lafivalon’ny tany. I Natanaely izay “nifanena” tamin’i Filipo araka izany dia fanomezan’Andriamanitra, ka tahaka an’i Andrea nitantara tamin’i Piera dia i Filipo kosa no mijoro ho vavolombelon’ny fihaonany tamin’ilay Mesia.

Tahaka an’i Filipo, misolo tena ny Apôstôly hafa, izay nihaona tamin’i Jesoa dia tsy afaka ny hitana ho azy izany hafaliana izany ka tsindrian-daona be ihany hitantara izany amin’ny rahalahy sy ny mpiray monina, ny mpiray fiaviana sy ny olom-pantatra ary ho tonga hatrany amin’ny διέξοδος (diexodos), ny faran’ny lalana, ny faravazantany (Asa 1, 8). Ilay zanak’i Josefa no nolazain’i Filipo fa fahatanterahan’izay voalaza tao amin’ny lalàna sy ny mpaminany, saingy tsy misy fanazavana azo omena an’izay misalasala afa-tsy ny fihaonany mivantana amin’i Jesoa: “Avia ary zahao”.

Ilay nahalala azy no neken’i Natanaely ho Zanak’Andriamanitra, Mpanjakan’Israely. Izay miaina araka ny Tenin’Andriamanitra ka mahitsy fo, tsy misy fitaka no afaka miditra amin’ny fiainana dia ny fahalalana an’i Jesoa ilay iraky ny Ray (Jn 17, 3). I Maria kosa, any amin’ny fiafaran’ny fitantarana ny Evanjely, dia nahalala an’i Jesoa rehefa nantsoiny tamin’ny anarany. Izay anaram-baovao hahalalan’Andriamanitra antsika izany, hoy i Md Joany, no fototry ny fahasambarantsika, fa anarana fantatr’izay mandray azy ihany (Apok 2, 17). Ny fihaonana Aminy no hahafahantsika mahalala bebe kokoa ny tenantsika amin’ny maha-izy antsika.

I Jesoa no fahatanterahan’ny nofin’i Jakoba, Izy no ilay tohatra mampiray ny lanitra sy ny tany (Jen 28, 12), ary avy aminy no hahafahan’ny anjely miakatra sy midina: midina mandrotsaka amintsika ny fahasoavana, miakatra mampisondrotra any amin’izy Ray ny fiderana ataontsika. Izy no varavarana hahafahantsika miditra sy mivoaka (Jo 10, 9). Ilay Teny tonga nofo no famantarana manambara sy mampahazo (sakramenta) ny fiainana ao amin’Andriamanitra.

Izy Tompo anie hanamafy ao am-pontsika ny finoana nananan’i Md Bartelemy, ka hahatonga antsika Eglizy mivondrona ao amin’i Kristy, famantarana mitondra famonjena ho an’ny olombelona rehetra (vavaka fangatahana).  

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alahady faha-21 mandavan-taona Taona B
PREVIOUS
Sabotsy faha-20 mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia V Paka
  • Talata V Paka
  • Alatsinainy V Paka
  • Alahady V Fankalazana ny Paka (Taona D)
  • Sabotsy IV Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia V Paka 20 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.