11 jiona:MD BARNABE APOSTOLY
- Asa 11, 21b-26; 13, 1-3
- Salamo 97
- Matio 10, 7-13
(Sorona Masina andavanandro p. 1480-1481)
I Md Barnabe di Jody teraka tany amin’ny Nosy Chypre. Fotoana fohy taorian’ny Pantekoty no nahatongavany ho kristianina, ary tsy nisalasala izy nivarotra ny taniny sy nitondra ny vidiny teo amin’ny Apôstôly (Asa 4, 36). Jôsefa no anarany taloha fa ny Apôstôly no nanome anarana azy hoe i Barnabe na « ilay mahay mampionona ». Tsara ny manamarika fa tsy dikan-teny loatra fa fiantsoam-piainana no tian’i Md Lioka lazaina eto. Ny Mpaminany, na ny marimarina kokoa, ny zanaky ny Mpaminany (Bar-nebi) izay miavaka amin’ny hatsaram-panahy satria “feno ny Fanahy Masina sy finoana” (Vak I Asa 11, 24) na koa azo adika hoe zanaky ny faminaniana, satria ny faminaniana vaovao, ny hafatra ampitaina dia fitondrana fampiononana (Iz 40, 1: נָחַם [naham – נַחֲמ֥וּ נַחֲמ֖וּ : piel imperatif] : ampionony, ampionony ny fon’ny vahoaka), izany hoe “famporisihana haharitra ao amin’ny Tompo amin-kerim-po” (Vak I Asa 11, 23), ary ambaran’ny Vakinteny mazava amin’ny tapany faharoa fa ny faharetana mivavaka sy ny fifadian-kanina (izay miverina indroa Asa 13, 2-3).
Antsoin’i Jesoa ny Mpianany dia irahiny. Mialoha ny hanohizana ny fanazavana momba ny fanirahana dia tsara ny mampahatsiaro fa ny ho eo Aminy sy hiara-mitoetra Aminy no iantsoan’i Jesoa antsika voalohany, ary porofom-pitiavana izany (Mk 3,13-14). Izay vao irahiny hitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’ny Lanitra.
Eny am-pandehanana [Πορευόμενοι – poreuomenoi Mt 10,7 BYZ), participe présent du πορεύομαι– poreuomai) izay nadika hoe “Raha mandeha ianareo”], izany hoe eo am-panohizana ny lalana efa natomboka no hitoriana ny Fanjakan’ny Lanitra. Tsy mbola mahatratra ny fahalavorariana ny Apôstôly, saingy mizotra ho amin’izany ary mitory (κηρύσσω – kèrussô), mijoro ho vavolombelon’ny Fanjakan’ilay Ray mamondrona ny zanany, mamondrona ny ondry very, ho fianakaviana iray miaina ny fahafahana, ny hafaliana sy ny fiadanana. Andraikitry ny mpianatr’i Kristy rehetra ny mampahatsiaro ny olona fa eo anivontsika ny Fanjakan’ny lanitra.
Izany no antony hanirahana ny Apôstôly,ka hanaporofo ny fitiavan’Andriamanitra ny olony eo amin’ny andavanandrom-piainany, amin’ny fanohizana ny asam-pamonjena efa natomboky ny Mpampianatra: ny fikolokoloana (θεραπεύω – therapeuô) ny marary mba hahafahany mitsangana ka hanompo (Mt 8,15), ny fananganana (ἐγείρω – egeirô) ny maty izany hoe ny miala amin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana satria tia ny rahalahy (1Jo 3,14), ny fanadiovana ny boka mba hiverenany ho anisan’ny vahoaka mankalaza an’Andriamanitra (Mt 8,1-4)ary ny fandroahana ny demony amin’ny herin’ny Fanahin’ny fahamarinana. Ireo no asa nataon’i Jesoa tantarain’ny toko faha 8-9 manontolo, hamerenana amin’ny olombelona rehetra ny hasina sy ny fahasambarana naharian’Andriamanitra azy. Izay nandray maimaim-poana no irahiny mba hanome maimaim-poana, ka hisafidy ny fahantrana, hatoky ny fitsimbinan’Andriamanitra ka haniry fiadanana ho an’izay hiantranoana.
Ny fahalalaham-po manentana ny mpianatra dia tokony ho hita taratra amin’ny fomba fiainany. Izay naka maimaim-poana tao amin’ny hafenoan’ny Trinite Masina, dia hanome maimaim-poana ihany koa. “Aza mitondra volamena na volafotsy na varahina amin’ny fehikibonareo”. Ny nadika hoe “mitondra” moa eto dia κτάομαι– ktaomai. Mahadika azy kokoa ny dikan-teny vaovao amin’ny Baiboly 2011 hoe “aza mitaty vola hatao am-paosy, na volamena izany na volafotsy na varahina”. Tsy fitadiavam-bola ny asa fitoriana na dia mendrika ny karamany aza ny mpiasa ka “izay mitory ny Vaovao Mahafaly dia hahazo fivelomana amin’izany asa izany” (1Kôr 9,14). Tsy avelan’i Jesoa hitondra kitapom-batsy akory fa hiantehitra amin’ny fitsimbinan’Andriamanitra ka hatoky ny fitiavan’ny rahalahy mendrika (ἄξιος–aksios) hampiantrano. Izay mampiantrano ny madinika sy ny tsy manan-kialofana kosa, na tsy nahalala aza, dia antsoin’i Kristy ho any amin’ny valisoan’ny olo-marina (Mt 25,31-46) satria nohasoavin’ny Ray.
Manambara ny maha izy azy ny olona iray sy ny fomba fiainany ny akanjo, ka ny tsy fitondrana akanjo roa moa dia manambara ny hadiovam-po, izany hoe ny fahatsoram-piainana tsy hihatsara ivelatsihy, tsy hanana “double personnalité”, fa hitafy akanjo iray ihany (Ga 3,27). Ny kiraro kosa, ao amin’i Md Marka (Mk6,9) dia anaovana, entina hilazana ny safidy malalaka, fa ao amin’i Matio, ny hoe tsy manao na dia kapa aza, dia hoentina hilazana ny toe-tsaina maha mpanompo (jereo Alakamisy faha 4).
Ny fiadanana kosa, rariana ho an’ny trano idirana sy izay monina ao, dia mitaky ny fahamendrehan’izay tolorana azy, saingy tsy ho raraka an-tany na eo aza ny tsy fahamendrehan’izay tolorana. Mazava loatra fa izay manokatra ny fony ho amin’ny fitiavana no zanaky ny fiadanana, ary ireo no hampiantrano ny mpamafy fiadanana. Ny fikatsahana ny fiadanana ho an’ny hafa dia loharanom-piadanana mandrakariva ho an’izay manao izany. Ny mety ho tsy fandraisana anefa, ny tsy fahamendrehan’izay tolorana dia tokony hanosika ny mpianatra “hanintsana ny vovoka” amin’ny tongotra, tahaka ny Jody hiditra ao an-tanàna masina, rehefa avy any amin’ny tanin’ny tsy mpino, entina hilazana fa izay tsy mandray ny rahalahy tsy manana afa-tsy ny fitiavan’Andriamanitra ho kiadiny, dia tahaka an’i Sôdôma sy Gômôra, tsy nandray ny irak’i YHWH ka natelin’ny afo (Jen 19,24snm).
Tsy afaka hanery ny hafa handray azy ny mpianatra, ka izay mety ho fandavana dia tsy sanatria hampivadika ny zanak’ondry ho tonga biby masiaka (Tohin’ny Evanjely) fa ho fidirana ao amin’ny tanànan’ny fiadanana, ka hanajanonana any ivelany (toy ny vovoka amin’ny tongotra) izay rehetra tsy mifanaraka amin’ny fahamasinana atoron’ny Evanjely ho lalana mitondra mankamin’ny fahasambarana.
“Voalaza fa i Barnabe, na tamin’izy nifanerasera tamin’ny Apôstôly namany, na tamin’ny kristianina sy ny tany ama-monina, dia niaraha-nahita fa nahay nampihavana sy nahay namaha olana tokoa izy. Hita ao amin’ny boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly fa niara-dia tamin’i Paoly izy nitory ny Vaovao Mahafaly tamin’ny tany manodidina ny Ranomasina Mediteranea. Anisan’ny nandray anjara tamin’ny Kônsily voalohany (49) nataon’ny Apôstôly tao Jerosalema koa izy.
“Fa rehefa avy nitety tany maro nitory an’i Kristy toy izany izy, dia nitodi-doha indray nankany Chypre. Ary araka ny lovan-tsofina, dia tany izy no maty martiry, tao akaikin’ny tanana iray atao hoe Salamine.
“Mangataha amin’i Md. Barnabe mba hazoto handalina ny ara-pivavahana isika hahafahantsika mampitombo ny finoantsikasymanamafy ny finoan’ny namana.”
Andriamanitra ô, nasainao navahana i Masindahy Barnabe lehilahy vontom-pinoana sy feno ny Fanahy Masina mba hampibebaka ny tsy mpino; koa enga anie ny Evanjelin’i Kristy nokezahiny fatratra hotorina fahavelony mba ho voaely tsy misy diso hatraiza hatraiza na amin’ny teny lazaina na amin’ny asa atao (Vavaka Fangatahana).