Alahady faha-23 mandavantaona – Taona D

Alahady faha-23 mandavantaona – Taona D

“Raiso ny hazofijaliana dia izory izay nodiaviko” 

Boky Fahendrena 9, 13-18 – Salamo 89
Filemona 9b-17
Md Lioka 14, 25-33

Tsy mora ny manara-dia an’i Jesoa. Ambarany amintsika androany ny safidy miandry izay te-hanara-dia azy : “izay tsy mitondra ny hazofijaliany sy tsy manaraka ahy dia tsy mety ho Mpianatro” (and. 27). 

Fa inona ny hazofijaliana tsy maintsy zakaintsika? Ary ahoana no hahalalantsika ny lalana hizoran’i Kristy?

Ireo nanaraka an’i Jesoa tamin’izany andro izany dia voatery nisaraka tamin’ny fianakaviany, voatery mankahala (μισέω miseo), na ny dikan-teny marimarina kokoa ankahalain’ny rainy, ny reniny, ny rahalahy sy anabavy, ary hanao tsinontsinona hatramin’ny ainy aza, satria noheverina ho “sekta” ny fanarahana an’i Jesoa ka mazava loatra ireo nanaraka azy dia voaenjika niaraka taminy, ka mety hanefa hatramin’ny aina. 

Ankehitriny kosa dia tsy toy izany, tsy voatery hifanohitra ny mpianaka mba ho tonga kristianina. Zary fiteny heno matetika ny hoe “samy manao izay tiany”, “tsy hifanerena ny finoana”. Ny tsy maintsy hitandremana aza dia satria ny maha-kristianina indray no lasa fitadiavam-boninahitra eo amin’ny fiaraha-monina ka misy ny manao izany ho fitaovana hivelomana na hahazoana voninahitra bebe kokoa, tsy hitiavana fa hanambaniana na hisehosehoana ho ambony noho ny hafa.

Ho an’izay tena mpianatr’i Kristy anefa, tsy maintsy misy “safidy” atao ao: hihaina araka ny Evanjely. Tsy ny anarana no maha-kristianina fa io safidy io, safidy izay natomboka tamin’ny Batemy: fandavana an’i Satana sy ny fanangoleny rehetra mba hinoana an’Andriamanitra tokana olona telo. Tsy mora izany, ary misy hazofijaliana tsy maintsy zakaina ao.

Tsy sanatria tsy akory isika no handeha hitady fijaliana na sanatria i Kristy no faly amin’ny hijaliantsika. Tsy azo adino fa ny hazofijaliana dia famantarana ny ady atao amin’ny tsy rariny, famantarana ny fahavononana hiharitra hatramin’ny fahafatesana mba hanambara ny marina, mba hiharo ny marina ary mba hanehoana ny fara-fitiavana, tsy an-terisetra fa amin-kalemem-panahy.

Voaantso hanaraka izany dian’i Kristy izany ny Mpianany hany ka mila mipetraka aloha mandinika. Averin’ny Evanjely in-droa izany, hilazana fa tsy olona manaonao foana ny kristianina fa vokatry ny vavaka sy ny fandinihana no hahafahana manapa-kevitra matotra hanarahana an’i Kristy. Dia samy mandinika isika, ary samy mahatsapa fa mbola lavitra izany maha-mpianatr’i Kristy antsika izany. Dia hihemotra sy hiverin-dalana ve sa hotohizana ihany ny maha-kristianina anarany fotsiny, na dia ho fisehoana ivelany ihany aza? 

Zavatra roa no iompanan’ny “fipetrahana mba hisaina mialoha” lazain’i Jesoa: manao trano, izany hoe hanao fefy fiarovana mba tsy handroban’ny mpangalatra ny fananana sy ny harena; handefa miaramila hiady. “Ny vavaka, tolona fa tsy sento”. Tolona handresena izay rehetra manakana ny fo tsy hahafoy manontolo ka ho afaka hiaina araka ny Evanjely. Tsy ny pretra sy ny relijiozy irery sanatria no antsoin’i Jesoa hahafoy izay rehetra ananany fa izay te ho mpianany rehetra. In-telo farafahakeliny no averin’i Md Lioka io ( ao amin’ny Lk 12, 33 sy Lk 18, 22 koa).

Tsy misy mahalala ny hevitr’Andriamanitra anefa, (Vak.I) indrindra rehefa mifatotra (migadra) noho ny Evanjely isika (Vak II)ka toa mialona ny fiadanan’ny ratsy fanahy (sal 73) ! Ny fahatsapana ny fahalemena sy ny fetran’ny tena (Sal 89setriny) no manosika hanana fahendrena marina, hahaizana misafidy (decidere) izay sarobidy tsy maintsy ho tanana ary hamelàna kosa ny hafa rehetra (recidere), eny fa na dia zavatra mety ho tsara aza mba hahafahana manaraka marina an’i Kristy ka nahatsiaro mandrakariva ny teniny hoe : “Raha tsy izaho dia tsy mahefa na inona na inona ianareo” (Jn 15, 5b). Dia izay no hiandrandrantsika mandrakariva ny fahasoavany, hahatsapantsika fa eo anivontsika izy, ka mamindra fo sy miantra. Izy ilay miandry ny fiverenan’ny Zaza Mpandany sy mitondra eo an-tsorony ny ondry nania. 

Tsy mora ny mandray toy ny rahalahy ny olona iray izay sady andevo no nitsoaka, kanefa dia izany no angatahin’i Paoly hataon’i Filemona amin’i Onesimo. Tsy hatahotra ary isika ny hanamafy ny maha-mpianany antsika, handini-tena mandrakariva ka hanitsy izay mety ho faniriana sy tombontsoa tsy mifanaraka amin’ny maha-mpanara-dia an’i Kristy. Tsy ny vola na ny voninahitra na ny sakaiza (fianakaviana) no tanjona, fa ny fampanjakana ny fahamarianana sy ny fitiavana, eny fa na dia hiafara amin’ny famoizana ny aina aza izany.

Dia ventsoy mangina ao am-po ilay hira hoe : “O ry Jesoa Kristy Tompo! Arahiko ianao na aiza na aiza”.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *