Sabotsy faha-20 mandavantaona

Sabotsy faha-20 mandavantaona

Ezekiela 43, 1-7/Salamo 84 –
Bokin’i Rota 2, 1-17/Salamo 127 –
Md Matio 23, 1-12 —

Aza miantso olona ety an-tany hoe “mompera”, ho rainareo, fa iray ihany ny Rainareo dia izay any an-danitra. Aza mety atao hoe “maître” fa iray ihany no mpampianatra anareo dia i Kristy. Ny vahoaka sy ny mpianany no nilazan’i Jesoa izany fampianarana izany. Ny antony voalohany moa dia ny mba tsy hahatafintohina izay mahita ny fiatsaram-belatsihy sy ny “incohérence” afitsok’ireo izay mipetraka eo amin’ny “sezan’i Moizy”. 

Izay mihevitra ny hifehy ny hafa amin’ny fampiarana ny lalàna sy ny famaizana dia mamita-tena ihany ary mandoto ny endrik’ilay Ray niantso an’i Moizy hanafaka ny olona amin’ny fanandevozana. Izay manaiky an’Andriamanitra ho Ray dia mahatsapa fa ny Fanahin’izy Tompo ihany, ilay Fanahy Fitiavana no afaka mitondra ny olona amin’ny marina ary ny fahamarinana no hanafaka azy ireo. 

Antsoin’ny Evanjely isika mba handini-tena sao sanatria ny fahefana eo am-pelatanantsika ampiasaintsika hamoretana sy hampitondrana enta-mavesatra ny olona. Rehefa miaina izay ampianarintsika isika no mitombo ao amin’ny fitiavana, tahaka an’Andriamanitra manome ny didiny ho antsika (ἐντολή moa dia avy amin’ny hoe ἐντέλλομαι entellomai: “en” – miaraka – sy “telos”, τέλειος -teleios- lavorary, ka ny didy araka izany dia ny fahalavorarian’Andriamanitra miara-dalana amintsika satria te hizara ny fiainany amintsika ka ny fitiavana no hahafahana manatanteraka izany). Ho an’ny Mpianatr’i Jesoa, ny Evanjely toriany dia ny hafaliana vokatry ny fiainany iainany araka ny fampianarana sy ny ohatra nomen’i Kristy, ary mahatsapa tena mandrakariva fa tsy tompony ka “tsy manao jàdona fa mpandray anjara amin’izany fampandrosoana ny hafaliana izany fotsiny” (2 Kor 1, 24). 

Tsy sanatria ny fitondrana “filakitera” lehibebe kokoa noho ny hafa no hilazantsika fa tia ny Soratra Masina isika. Ny Filakitera manko dia boaty kely mirakitra an-dalan-tSoratra Masina apetraky ny jody eo amin’ny handrina sy ny sandriny havia. Sao sanatria mampiasa rano voahasina isika, miambozona lakroà, saingy tsy te hiala amin’ny olona tranainy nodiovin’ny batemy ary mandà mafy ny hitondra ny hazofijaliana takian’ny antsom-pitiavana amintsika isan’andro vaky. Tsy manao fahagagana ny zava-masina fa mampahatsiaro antsika kosa ny fahasoavana efa narotsak’Andriamanitra ao am-pontsika, fahasoavana tsy hiasa raha tsy miara-miasa amin’ny sitrapontsika. 

Ny somotraviavin-damba kosa indray, “tefillin” amin’ny teny hebrio, dia “vavaka”, dia nentin’izy ireo hahatsiaro sy haneho ety ivelany ny fitiavana ny Lalàna. Raha ny voninahitra eo imason’ny olona anefa no katsahintsika dia hamita-tena ihany isika satria na ho ela na ho haingana dia hanalavitra ny fitiavana ny fontsika, satria tsy ny hahasambatra ny hafa no hokatsahina fa ny hisehoana ho ambony noho ny hafa. Tsara hotsaroana mandrakariva ny hafatr’i Md Paoly hoe: mifananinana hifanaja, προηγέομαι (proegeomai), hifaninana hanao tsara laza ny hafa noho ny tena (Rom 12, 10). Sarotra izany raha toa ka ny hantsoina hoe “Rabbì”, “mon grand” no himatimatesana. 

Hivelomantsika isan’andro anie ny tsiokan’ny Fanahy manangana antsika ho zanaka mpandova, ka handraisantsika sy hitiavantsika toy ny iray tam-po ny olombelona rehetra, ka hifaninanantsika ho lehibe, hanahaka ny halehibeazan’i Kristy Jesoa izay tsy nanao ho zavatra nobaboiny ny fitoviany saranga amin’Andriamanitra fa naneho ny haben’ny fitiavany tamin’ny nietreny ho tonga olombelona mitovy amintsika amin’ny zavatra rehetra (Fil 2, 6-7). 

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *