Zoma faha-20 mandavantaona

Zoma faha-20 mandavantaona

Ezekiela 37, 1-14/Salamo 106 –
Bokin’i Rota 1, 1-22/Salamo 145 –
Md Matio 22, 34-40

Rehefa tsy nahomby tamin’ny fandrika nataony ny farisianina, nanontany an’i Jesoa raha toa ka tokony hatao ny mandoha hetra amin’i Sezara na tsia (Mt 22, 15-22) ka novaliany mba hanome an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra, ka ny vola misy ny endrik’i Sezara omena azy, ny olona nohariana mitovy endrika amin’Andriamanitra kosa hotsinjovina mba ho sambatra araka ny nahariany azy. Rehefa izany dia tonga indray ny sadoseanina haka fanahy azy momba ny fiainana any an-koatra ka nitanisa ny lalan’i Moizy (Det 25, 5-10, loit du Levirat, levir amin’ny teny latinina zaodahy) fa ny Andriamanitry ny Razana, Andriamanitr’i Abrahama, Isahaka sy Jakoba, dia Andriamanitry ny Velona fa tsy ny maty. 

Naheno izany ny Farisiana dia niverina indray mba haka fanahy azy, ity indray mitoraka ity kosa mikasika ny didy lehibe indrindra amin’ny lalàna. Inona amin’ireo fitsipika 248 sy fandraràna 365 no lehibe indrindra? Ny “mitia” no didy (ἐντολή entolè) lehibe indrindra hoy i Jesoa. Ny ἐντολή moa dia avy amin’ny hoe : ἐντέλλομαι entellomai (“en” – miaraka – sy “telos”, τέλειος -teleios- lavorary), ka ny didy araka izany dia ny fahalavorarian’Andriamanitra miara-dalana amintsika satria te hizara ny fiainany amintsika ka ny fitiavana no hahafahana manatanteraka izany. 

Ny faniriana te hitovy aminy dia tanteraka, tsy sanatria rehefa manana ny zavatra rehetra isika na rehefa manam-pahefana afa-manao izay tiana atao sy manjakazaka amin’ny hafa. Ny fitiavantsika azy (Det 6, 6) dia fitia tsy voazarazara ka tokony ho amin’ny fo rehetra, amin’ny fo tsy voazarazaran’ny fanirian-java-nohariana, amin’ny fiainana manontolo (ψυχή psuchè, fofon’aina, vovok’aina), amin’izay mety ho hery hahafahana manao zavatra, amin’ny saina manontolo ka tsy hampiasàna ny ati-doha hametsifetsena na hanambakàna fa hitiavana sy hanaovan-tsoa. 

Izany fitia tokam-po izany anefa tsy hitan’ny maso raha tsy amin’ny fiantraikany amin’ny fifandraisantsika amin’ny hafa. Ataonao ahoana moa no hitia an’Andriamanitra tsy hita maso raha ny olona hita maso aza tsy hainao tiavina (1 Jn 4, 20)? Ny fitiavana no hahafahana manandratra vavaka amin’Andriamanitra isaky ny misy zanany mampahonena noho ny fahantrana, noho ny aretina, noho ny fahasembanana (Mahalôna sy Seljôna zanak’i Noemi ao amin’ny Bokin’i Rota 1, 1-22), hoy Papa François tamin’ny fampianarany ny alarobia teo (alarobia 21 aogositra 2019). Ny fitiavana marina no hahafahantsika mitia ny hafa tahaka ny tena, izany hoe haniry ho an’ny hafa izay heverina fa mahasoa ny tena ary tsy hanao amin’izy ireo izay heverina fa tsy mety amin’ny tena raha ataon’ny hafa. 

Izay notiavina ihany no afaka mitia anefa. Ny fibanjinantsika ny fitiavan’ny Ray araka izany, ny vavaka, no sekoly hianarantsika ny tena fitiavana marina, ka ny fitiavana azy tonga fanahafana azy, ary ny fiainana vokatr’izany vavaka izany no lehibe indrindra amin’ny didy. Tsy misy lalàna vanona raha tsy fikatsahana ny soa ho an’ny tsirairay sy ny daholobe ary fahatanterahan’ny lalàna ny fitiavana satria tsy manao ratsy na amin’iza na amin’iza, hoy i Paoly (Rom 13, 10). Anjaran’ny Mpaminany ny mampahatsiaro izany, indrindra raha sanatria mivaona ka tonga fiarovana ny tombontsoa manokana fa tsy ny soa iombonana ny lalàna ary manalavitra ny fitiavana.

Ho taratry ny fitiavan’ilay Andriamanitra banjininy ao amin’ny fivavahana anie ny fiainan’ny mpino rehetra. 

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *