Alakamisy faha-20 mandavantaona

Alakamisy faha-20 mandavantaona

Ezekiela 36, 23-28/Salamo 50
Mpitsara 11, 29-39a/Salamo 39
Md Matio  22, 1-14

Ry sakaiza, nahoana ianao no miditra eto nefa tsy miankanjo ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady? Maimaim-poana ny fiantsoana, ny rehetra no antsoina ka nahoana indray ary no hilàna vaniny izay miditra ao? Tsara ho fantatra aloha fa tsy araka ny fombantsika ny fomba nahazatra tamin’izany. Ny antsika dia ilay voaantso no mivaky loha mitady sy misafidy izay akanjo hanaovana. Tamin’izany kosa dia tolorana ny akanjo ho entina mamonjy izany fety izany izy ka tsininy sy tsy fivakian-doha kosa raha toa ka tsy miakanjo araka ny tokony ho izy. Amin’ny litorjian’ny Batemy moa dia averina io fanolorana ny akannjo. Fitondra amin’ny fampakarana io, ny fitahirizantsika ny akanjo fotsy madio, dia i Kristy no hahafantarana antsika ho zanaka ka afaka mandova ny Fanjakana. 

Fanoharana no ilazan’i Jesoa ny fanirian’ny Ray (tompon’ny tanimboaloboka sy Mpanjaka) mampiantso (καλέω kaleo) ny olona rehetra ho amin’ny fampakaram-badin’ny Zanany. Sambatra hoy isika izay voaantso amin’izany, isaky ny manandratra ny Hostia voavaky ny pretra. Ny Fampakaram-bady moa no endrika kanto sady lalina indrindra entin’Andriamanitra maneho ny fifandraisany amin’ny olombelona (Osea 2, 16-25): ny fitiavan’ny mpivady dia maneho nu fahafoizan-tena tanteraka hifanolorana haha-tena iray. Fony mbola mpanota isika, hoy i Md Poaly no maty ho antsika i Kristy (Rm 5, 6-11), nanandratra antsika ho vady, ho iray aina aminy. Tsy ny rehetra anefa no manaiky handao ny zava-tsoa heveriny ho sarobidy (Mamôna) ka hanaiky handray azy ho “mpampiakatra”, hanaiky ho iray aina aminy. 

Ny fandavan’ireo voaasa dia nanjary fisokafan’ny fanasana ho an’ny olona rehetra. Ny fanenjehana tao Jerosalema no nahatonga ny Eglizy niely eran’i Samaria sy ny tany manodidina ka tonga hatraty amintsika koa aza. Ny fandringanana sy ny fandoroana tanàna dia mety ho azo heverina mikasika ny fandravan’ny Romanina an’i Jerosalema ny taona 70, saingy ireo iraka (apostoly) kosa dia nasain’ny mpanjaka nankany amin’ny fihaonan-dalana, na ny marimarina kokoa hatrany amin’ny faran’ny lalala (διέξοδος diexodos), hatrany amin’ny faravazantany (Asa 1, 8) mba hiantso ny olona hilomano (batemy) ao anatin’ny hatsaram-pon’Andriamanitra (Mt 28, 19 ss), ka nangoniny (συνάγω sunago) avokoa na tsara na ratsy, tahaka ny harato natsipy any anaty rano (Mt 13, 47-48). 

Rehefa feno ihany ny trano fampakarana vao miditra hizaha ny mpihinana ny Mpanjaka. Tsy afaka ny hiditra ka hamono ny omby matavy manko izy, hoy i Md Lioka (Lk 15) raha mbola misy zanany iray tsy tafaverina eo. Tsy afaka ny hitoetra ao amin’ny fanjakany anefa izay tsy miaina ny maha-zanaka, izay sty afaka ny hifaly amin’ny fiverenan’ny zandriny nania, ka izay tsy mitafy an’i Kristy Zanaka lahitokana dia tsy afaka ny hijoro an-kafaliana eo anatrehan’ny Ray. Tsy afaka ny hanome tsiny Azy anefa isika satria ny akanjon’io Zanany io aza dia nafoiny ho an’ireo namono azy (Mt 27, 35).

Tsy ho sanatria anie isika no hanary ny akanjo hoentintsika mandray anjara amin’ny fanasan’ilay Ray tia ny hampiombona antsika ho “Eglizy”, voaantso toy ny ampakarina mitsena an’i Kristy ilay Mpampiakatra. 

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *