Alarobia faha-20 mandavantaona

Alarobia faha-20 mandavantaona

Ezekiela 34, 1-11/Salamo 22, 1-6
Mpitsara 9, 6-15/Salamo 20
Md Matio 20, 1-16a

Inona ny valisoa ho azonay nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka anao? Hahazo ny denie iray nifanarahana ianao. Denie iray izay ampy hahasambatra anao sy ny ankohonanao. Ny mahagaga anefa dia ny nanomezan’ilay tompom-boaloboka karama mitovy ho an’ireo izay niasa adiny iray monja, sady amin’izay indray izy ireo no nahazo ny karamany voalohany. Azontsika tsoahina amin’izany fa tsy mpila tombony ilay tompon’ny saha. Fitaovana entiny miantso ny olon-drehetra ho amin’ny fahasambarana ihany ny fiantsoana ataony hiasa ao amin’ny tanim-boaloboka. Rariny ve raha ireo reraka niasa indray no omena karama farany?

Ho an’Andriamanitra dia rariny izany, satria izy ireo dia nihharitra ny masoandro niasa, saingy niasa nombam-panantenana kosa, handray ny denie iray rahariva. Ireo nidonanam-poana hatramin’ny ora farany kosa, niaina ny fitaintainana nandritra ny andro, ary tsy mbola hainy akory aza izay ho azony, niasa kely adiny iray. Raha ny fahasambaran’ny olona no katsahina dia rariny raha izy ireo no ampifaliana voalohany. Ambaran’i Jesoa amintsika araka izany fa tokony hisy am-baratonga ny fitsinjovantsika ny olona, sao sanatria ny tsy mila vonjy akory no andaniana ny androatokom-piainana. 

Sarotra anefa ny mahazo ka maka tahaka izany fampianaran’i Jesoa izany. ny fomba fiainany miara-misakafo sy mandany andro miaraka amin’ny mpanota sy ny poblikana manko dia nanahirana ny olona (Mt 9, 11). I Jesoa misakafo miaraka amin’ny mpanota saingy sarotra ny hahazo fa hozaraina ho an’ny mpanota ny komonio, fiarahana misakafo aminy, tsy mihevi-tena ho mpanota ve ireo mpandray komonio sa mihevitra ny tenany ho tsara kokoa noho ny hafa? Mahamenatra fa feno fiantsaram-belatsihy ny fiainantsika, eny fa na dia any am-piangonana aza. Ny mpanota indrindra, hoy i Papa François, no mila mankany am-piangonana satria mila an’Andriamanitra sy ny famindram-pony mbamin’ny fahasoavany zarainy ao amin’ny sakramenta. 

 Ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana no tanim-boaloboka hiantsoany antsika isan’andro isan’ora, ka anomezany antsika ny fahasambarana, mampisy heviny ny fianantsika, tsy noho ny asa vitantsika fa noho ny indrafony tsy hita lany. Tsy sanatria hampanararaotra antsika akory izany, tsy azo adinoina ilay zatovo mpanan-karena, nahare ny antson’i Jesoa hahafoy ho an’ny mahantra, kanefa naleony nionona amin’izay fananana kely (noheveriny ho betsaka) ka nandeha amin’alahelo. Tsy afaka ny ho faly ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra na izay tsy mahafoy ny ananany mba hanasoavana ny hafa, na izay “ratsy maso” satria mampiadana ny hafa noho izy “nisasatra nandritra ny andro” Andriamanitra. Izay tsy tia ny hiadanan’ny olombelona rehetra dia tsy ho afaka ny higoka ny fahasambaran’ny lanitra. 

Izay mahatsapa fa fahasoavana maimaim-poana no mahavoavonjy azy, hoy i Md Paoly dia halemy fanahy, hifampiantra sy hifamela heloka, toraka ny namelan’Andriamanitra azy (Efezy 4, 32). Ka raha sanatria tara ny firotsahan’ny sasany teny amin’ny tanim-boaloboka ka tsy nahavita araka izay noheverintsika dia ho haintsika anie ny hanome ny tsirairay ny karama mahasambatra sy hiadanan’ny hafa, araka nny fanomezam-pahasoavana sitrak’Izy Ray hotantanantsika. 

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *