Alahady faha-20 mandavan-taona

Alahady faha-20 mandavan-taona


Tolona ambony vatolampy ny fiainana,
izay manao tan-tsy vinitra no vaky loha. 

Jeremia 38, 4-10/ Salamo 39
Hebrio 12, 1-4
Lioka 12, 49-53

“Tonga hanipy afo ety an-tany aho, ka akory ny faniriako mba hirehetan’izany sahady!” Izay no anombohan’i Jesoa hilazana amintsika ny iraka nahatongavany : ny mission (iraka) amin’ny maha-Kristy (voahosotra) azy : hanipy afo… Mampahatsiaro antsika koa ny fiantsoana an’i Moizy izany afo mirehitra izany : afo mirehitra fa tsy mahalevona ny kirihitra (Eks 3, 3). Afo manambara ny Fisian’Andriamanitra eo anivontsika, fisiana izay tsy mahafoana ny maha-izy antsika (hevitry ny kirihitr’ala tsy may) fa kosa mampiseho ny fahalehibeazan’Andriamanitra sy ny fitiavany mirehidrehitra hamonjy ny vahoakany. I Moizy manala ny Kapany, satria “mandia tany masina” dia sady manaisotra izay mety ho salovan’ny fahafatesana (hodi-biby maty no hanaovana ny kapa) no milaza ny fahatsiarovan-tenany ho malemy, araka ny fitenin-drazantsika hoe : mandiha tany ka mety ho solafaka, tsy afaka ny hiantehitra amin’ny heriny ka tsy maintsy hijanona (tsy afaka mandeha amin’ny fasika tsy misy kapa) eo anatrehan’ny afo mirehitra mba hodioviny sy hohamasininy ho tonga iraka araka ny fony. 

Afo mirehitra, afo manambara ny fitiavana izany. Afo mivaivay handevina toy ny mololo ny mpiavonavona sy ny mpanao ratsy rehetra, hoy i Malakia Mpaminany (Mal 3, 19). Efa mahazatra antsika ny mahita ny sarin’ny Fo masin’i Jesoa mirehitr’afo : mirehitra fitiavana, tsy handringana fa hitady izay hanavotana ny mpanota mba hibebahan’izy ireo ka handovàny ny fiainana. Ny mahalasa ny saina anefa dia ny nanoizan’i Jesoa ny filazana ny mission (iraka)  nanirahana azy : “tsy tonga hitondra fiadanana aho, fa fisarahana aza…” 

Dia ahoana no hilazantsika isaky ny lamesa hoe : “Ry Jesoa Kristy Tompo, Ianao nilaza tamin’ny Apôstôlinao hoe: Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo: aza ny fahotanay no jerena fa ny finoan’ny Eglizinao; ka ho sitrakao anie ny hampiadana azy sy hampiray azy araka ny sitraponao,” raha toa ka hitondra fisarahana i Jesoa? Moa tsy izy ve no ilay Mpanjakan’ny Fiadanana izay hampiraotra ny zakan’omby amin’ny zanaky ny liona (Izaia 11, 6-9)?

 “Manome antsika ny fiadanana Andriamanitra fa tsy mamela antsika hidonanam-poana”, fiadanana tsy maintsy hisahiranana, hoy ny vavaka famaranana ny ranombavaka.[1]  Ny Fiadanana izay andikana ny hoe “Paix” amin’ny tenintsika eo amin’ny sehatry ny finoana na dia mahadika azy bebe kokoa aza ny hoe fandriam-pahalemana (mandry – alina), dia ny fahafahantsika miaina ny maha-kristianina antsika na eo aza ny fahasahiranana sy ny zavatra maro samihafa. 

Averimberiko matetika ity fandinihana momba ny Fivavahan’ny Tompontsika hoe : 

« aza milaza hoe “Ray” raha tsy miaina ny maha-zanak’Andriamanitra isan’andro… aza lazaina fa hoe “Rainay” raha toa ka mahafinaritra anao ny mikombona ao amin’ny fitiavantenanao… aza milaza hoe “any an-danitra” raha tsy misaina afa-tsy ny ety an-tany… aza milaza hoe “hohamasinina anie ny anaranao” raha tsy hajainao akory izany… aza milaza hoe ho “tonga anie ny fanjakanao” raha toa ka ny afangaronao amin’ny fanjakazakana ara-nofo ihany izany… aza milaza hoe “ho tanteraka anie ny sitraponao” raha toa ka tsy hohekenao ny sitrapony rehefa tojo ny sarotra ianao…

Aza milaza hoe “omeo anay ny hahinay isan’andro” raha toa ka tsy raharahanao akory ireo tsy manan-ko hanina sy tsy ampy fivelomana… aza milaza hoe “avelao ny fahotanay” raha tsy vonona akory ny hamela ny heloky ny hafa ianao… aza milaza hoe “aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay” raha mahafaly anao ny mikiribiby ao anatin’ny toe-pahotana… aza milaza hoe : “manafaha any amin’ny ratsy” raha tsy vonona akory hitolona handresy ny ratsy ianao. Ary milaza hoe “AMEN” raha tsy hinoanao akory izay vavaka ataonao ».

Misy olona mihevitra tahaka ireo manam-boninahitry ny tafik’i Sedesiasa fa Andriamanitra no hiady ho azy ireo ka haneha-doza hila faty. Ampianarin’i Jeremia isika hilaza ny marina ka tsy hampiasa ny anaran’Andriamanitra hanakomana ny avonavona sy ny eboebontsika. Ny fiarovan’Andriamanitra ny Mpampinany dia ny fanomezany azy hery hijoro amin’ny marina hatramin’ny farany. Ho azy ireo aza, toa an’i Jesoa dia “batemy” (rano) no andrasana am-pahoriana be kanefa afo no tiana harehitra. Fitiavana no notoriany nefa fankahalana sy fanamelohana ho faty no nahazo azy.  

Ny fandraisana ny Tenin’i Jesoa ka hanaikena hotarihin’ny Fanahiny dia mety hampisaraka ny mpianakavy aza ka hampisy fifanoherana na dia eo amin’ny zanaka sy ny ray aman-dreny aza (Mikea 7, 6) satria izay tsy momba an’i Jesoa dia manohitra azy. Nampahatsiahivin’i Jesoa ny mpianany fa raha halan’izao tontolo izao izy dia tsy hafa noho izany no hafitsok’izy ireo ny mpianany (Jn 15, 18).  Voaantso ho vavolombelon’ny fitiavana ny kristianina, voaantso haneho amin’ny fiainany fa Andriamanitra no ambonin’ny zavatra rehetra (vavaka fanombohana) eny fa na dia nety hampifanohitra amin’ny havana aman-tsakaiza aza izany.


[1]Dio ci dà la Pace ma non ci lascia in Pace (Dieu nous donne la paix mais ne nous laisse pas en paix (tranquille)”

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *