Zoma faha-19 mandavantaona

Zoma faha-19 mandavantaona

Ezekiela 16, 1-15. 60.63/Izaia 12, 2-6
Josoe 24, 1-13 /Salamo 135
Md Matio 19, 3-12

Nahoana i Moizy no nandidy hanome taratasy fisaoram-bady sy hisaotra azy raha toa ka ny fikambanana tanteraka toy ny lamban’akoho ka aina no fetra ny fanambadiana araka ny nandaharan’Andriamanitra azy?  Taratry ny fiombonan’i Kristy sy ny Fiangonana ny Fanambadiana, hoy i Paoly tamin’ny Kristianina tany Efezy. Ny toko faha-19 n’ny Evanjelin’i Md Matio moa dia mampianatra antsika hifandray araka ny hevitr’Andriamanitra amin’ny “vady” (and. 3-12), amin’ny zanaka (ankizy and. 13-15) ary amin’ny harena (and. 16-30), ka izay mahafoy izany ho an’ny fanjakan’ny lanitra no handova ny zato heny dia ny ety ka hatrany amin’ny fiainana mandrakizay. 

Ny fiainana araka ny fandaharan’Andriamanitra hatrany am-boalohany ihany anefa no hahafahana mizotra ny lalam-pahasambarana. Tsy ny trangan-javatra ety ivelany no hahafahana mitsara ny olona: misy eonoka satria tsy fidiny azy, misy tsy manao ratsy noho ny tahotra na hono ny faneren’ny hafa fa tsy noho ny safidy ho an’ny Fanjakan’ny lanitra. Mila dinihina mandrakariva araka izany ny antony hanaovana na tsy hanaovana zavatra iray, sao sanatria tsy fikatsahana ny Fanjakan’ny lanitra, izany hoe tsy firosoana amin’ny fanahafana ny fahalavorarian’ny endrik’Andriamanitra mpamindra fo. 

Ny habibiana na ny ditran’ny olona entina indraindray dia mahatonga ny mpitondra hanao lalàna izay mety tsy mifanaraka amin’ny sitrak’Andriamanitra, fa miezaka kosa hiaro ny zon’ny madinika farafaharatsiny ahay. Tany am-boalohany dia lahy sy vavy (monogamie) no noharian’Andriamanitra. Tamin’ny andron’i Moizy dia noheverin’ny lehilahy ho fananany ny vehivavy ka anaovany izay tiany atao (isam-bady; fandroahana sns). Rehefa mankaleo azy dia roahiny hiala ny trano. Raha sanatria anefa ilay voaroaka any aoriana any mahita olona hafa ka miaraka amin’io dia ampangainy ho mpijangajanga ka dia toraham-bato ho faty. Izay no nahatonga an’i Moizy hanery azy ireo hanao taratasy fisaoram-bady, ka raha sanatria mahita olona hampakatra azy ilay voasaotra dia manana taratasy manaporofo fa tsy mijangajanga tsy akory fa efa noroahin’ny vadiny. 

 Ny fanambadiana lamban’aokoho dia tsy lalàna sanatria fa “evanjely”. Tsy misy fitiavana tsy maniry ny ho mandrakizay raha fitiavana marina. Tsy ny hampiasa ny hafa ho fanasambaran’ny tena tsy akory no tanjona fa ny hampiasa ny tena ho fahasambaran’ny hafa. Araka izany tsy hisy olona manam-bady ka afaka hiteny hoe tsy vitany intsony ny hitia, na sanatrian’izany hilaza fa tsy hainy izay atao mba hahasambatra ny hafa; ny hanova ny hafa hifanaraka amin’ny heverin’ny tena ho fahamarinana mazàna no imatimatesana ka rehefa tsy miova izy dia kivy ny tena. 

Ny manokana ny tena ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra ivelan’ny fanambadiana dia fanomezam-pahasoavana manokana fa tsy ezaky ny maherifo sy ny be saina, izany no fisantarana ny fiainan-ko avy (Mt 22, 30) ka tsy afaka ny haharitra amin’izany izay tsy mikatsaka afa-tsy ny haren’ny tany. 

Hoentintsika am-bavaka manokana anio ireo tokan-trano gejain’ny fitiavan-tena ka tsy afaka ny mifaninana ho fahasambaran’ny hafa. Hotohanantsika am-bavaka koa ireo nanokan-tena satria matoky ny fahasoavan’ilay niantso, mba hahafahan’izy ireo mamokatra be dia be ho an’ny fanjakan’Andriamanitra. 

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *