Fankalazana manetriketrika an’i Masina Maria Virjiny nampiakarina any an-danitra

Fankalazana manetriketrika an’i Masina Maria Virjiny nampiakarina any an-danitra

Ilay Tompon’ny Lanitra sy ny tany, nampiakatra an’i Masina Maria eo an-kavanany anie hanome antsika koa ny hasambaran’ny lanitra.

15 Aogositra

Ny 1 novambra 1950 no nanambaran’ny Papa Pio XII ny nampiakarana an’i Masina Maria « vatana sy fanahy » any an-danitra ho foto-pinoana katolika (dogme). Azo jerena ny Constitution apostolique Munificentissimus Deus (en anglais ou en italien). Ilay notorotoronina tsy azon-keloka dia sitrak’Andriamanitra handresy miaraka aminy, ka tsy foiny ho tra-pahalovana na ho sakafon’ny olitra fa nasandrany ho be voninahitra miaraka aminy. 

Ny Lumen Gentium 67  milaza fa tsy maintsy avy amin’ny finoana marina ny fanajana an’i Masina Maria, ka mitarika ny kristianina hiaiky ny fahambonianysy haka tahaka ny hatsaram-panahiny. Ny fanajana an’i Maria dia tsy antony fa vokatry ny finoana an’ilay Andriamanitra nifidy azy ho Reniny, ka ilay Mahefa ny zavatra rehetra ve dia hamela ny kitapo nifonosanaany am-pasana? Ambaran’ny Papa Pio XII fa lovam-panahy nifandovana tao amin’ny Fiangonana izany ary mazàva loatra fa ny tsy nisian’ny fanajana na fitadiavana ny reliques (sisan-taolana)-‘i Masina Maria dia porofo iray eken’ny saina fa tsy navelan’Andriamanitra hanaraka ny lalàna ankapoben’ny zava-boaary  ny Reniny fa nomeny fahasoavana manokana.

Ireo vakiteny amin’ny Fanompoam-pivavahana hankalazantsika ity fety ity (Sorona hariva mialoha : Tantara 15, 3-4. 15-16; 16, 1-2// I Kor 15, 54-57// Lk 11, 27-28// Sorona Masina 15 aogositra : Apok 11// Sal 44// I Kor 15, 20-26b// Lk 1, 39-56) dia manampy antsika hahazo sy hiaina koa ny maha-isika antsika : voaantso hanara-dia an’i Kristy, haka tahaka an’i Marina Maria, ilay santa-bokatry ny Fiangonana, araka ny lazain’ny Konsily hoe : « Ankalazaina [i Masina Maria], fa tena ambony  tsy manam-paharoa amin’ny samy ratsam-batan’ny Fiangonana ary ohatra igagana sy fakan-tahaka tapitr’ohatra amin’ny finoana sy ny fitiavana, ka toloran’ny Fiangonana fitiavana sy fanajana fanehon-janaka amin-dreny tena tia sy tsy mahafoy, araka ny fampianaran’ny Fanahy Masina » (LG 53).

Ilay zava-dehibe notanterahin’Andriamanitra tao amin’i Masina Maria, no nampisokatra ny fanahiny hidera ny halehibeazan’ny Voninahitr’ilay Mpamonjy azy (Lk 1, 39-56). Izany fahasambarana iantsoan’ny tarana rehetra an’i Maria izany anefa dia vokatry ny fahaiza-mankatò ny Tenin’Andriamanitra sy mitandrina azy, hoy i Jesoa (Lk 11, 27-28).

I Masina Maria ankalazaintsika  androany satria nandray ny valisoa nampanantenain’i Kristy an’ireo izay azy (vak II I Kor 15, 20-26b) dia hery sy fanalana alahelo ho antsika satria « raha tamin’ny alalan’i Masina Maria no nanomezan’Andriamanitra antsika ny Mpamonjy, izay loharanom-pamonjena ho antsika, dia ho laviny ve ny hanome antsika izay fahasoavana hahafahantsika maka tahaka an’i Jesoa  Zanany, noho ny vavaka ataon’ny reniny? »

 Aza adinontsika ny famporisihan’ny Konsily milaza fa « ny tena fitiavana dia tsy fihetseham-po miserana sy tsy misy vokany, na sanatria finoanoam-poana, fa izay tena vokatry ny finoana marina, ka mahatarika antsika hankatò ny fahambonian’ny Renin’Andriamanitra sy hitaona antsika ho tia azy sy haka tahaka ny hatsaram-panahiny« .

Tsy hoe sanatria niangaran’Andriamanitra i Masina Maria fa asehon’ny Fiangonana kosa ho modely, ka na teo aza ny ngidim-piainana natrehiny tety amin’ity tany fandalovana ity, dia ny voninahitry ny lanitra kosa no valisoa nomena azy. Ny fanasatrohana satro-boninahitra azy ho Mpanjakavavy moa, dia araka ny fomba nahazatra teo amin’i Israely, ka ny Renin’izay voasandratra ho Andriamanjaka no misalotra io voninahitra io. Mpanjakavavy i Maria satria i Jesoa no ankalazaintsika ho mpanjaka mifehy sy mibaiko ny fiainantsika. 

Kintana roa ambinin’ny folo no satro-boninahiny, hoy i Md Joany, milaza ilay vehivavy hiteraka ny Zanany lahimatoa hifehy ny firenena amin’ny tsora-by. I Maria dia tandindon’ny Fiangonana, vahoaka nofidian’Andriamanitra ho lovany, ka natsangany ho zanany ary mitafy an’ilay Masoandro tsy mety milentika, fahazavana avy any ambony dia i Kristy. Ny Fiangonana no miteraka an’ireo “Kristy”, olom-baovao, ary mijaly toy ny mihetsi-jaza mandra-pahary ny Kristy ao anatin’ny olombelona tsirairay (Gal 4, 19). 

Ny fankalazana ny nampiakarana an’i Masina Maria vatana sy fanahy any an-danitra, araka ny filazan’ny Papa Pie XII azy, dia fankalazana sy fanavaozana ny finoana an’i Kristy nitsangan-ko velona, ary fanavaozana ny finoana fa hitsangana miaraka aminy avokoa izay mandray ny Teniny ka mivelona amin’ny finoana Azy (Vak II). 

Izany finoana izany no hahafahana mihira ny tononkiran’i Maria eto am-pamakivakiana ity tany “lohasahan-dranomaso” ity. Ny Litorjian’ny Eglizy dia manentana ny zanany rehetra hiventy izany isan-kariva, hibanjina ny asa lehibe notanterahin’Andriamanitra nandritra ny andro, ka hamarana ny andro amin’izany hafaliam-po izany, mahita fa tanteraka tao amin’ilay zanakavavin’i Siona  ny fampanantenan’Andriamanitra. Tsy ny vokatry ny asantsika fa ny asan’Andriamanitra vokatry ny fitiavany antsika no maha-velon-kira. Asa fito araka ny fitanisan’i Maria: ny voalohany dia ny sandriny mahery natsotrany mba hanavotra izay very (Det 5, 15). Andriamanitra irery ihany no afaka handresy ny ratsy ary tsy ny fijaliana na izay mety ho fanjakazakan’ny ratsy no ho tompon’ny teny farany; mampiahaka ny mpiavonavona izy dia ireo izay mihevitra ny ho avotra sy ho sambatra noho ny herin’ny tenany, tsy sanatria tsy akory hampitsanga-menatra azy ireo fa kosa hampibebaka ny fony amin’ny fitiavan’Andriamanitra; nahongany ny mpifehy ary nasandrany ny ambany: tsy sanatria fivadihan’ny rasa izany, tsy hanova na inona na inona amin’ny sehatry ny tantara, tsy tonga hanova ny mpilalao tantara Andriamanitra fa hanova mihitsy ny fomba fitantarana, ny fifandraisan’ny olombelona amin’izy samy izy: mifaninana ho ambany, ho mpanompo araka ny fon’Andriamanitra; ny noana hovokisany fa ny mpanan-karena kosa ampodiany mitondra tanam-polo: tsy misy hitondra na inona na inona hiala amin’ity tany ity afa-tsy ny harena nohariantsika teo anatrehan’Andriamanitra, izany fahamarinan’Andriamanitra izany no hahafeno hafaliana ny zanany miharitra ny tsy rariny noho ny hafa; miahy Andriamanitra ary ampahatsiahivin’i Masina Maria antsika fa tsy miova mandrakizay ny fitiavany. Mandrakizya no hisaorantsika azy.

Ho fanavaozantsika ny faniriantsika ny lanitra anie izay fankalazana ataontsika vetivety ety izao ka hamerimberenantsika ny Vavaka fangatahan’ny Sorona Masina hoe : « Andriamanitra Mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay o, atodiho mandrakariva amin’ny haren’ny lanitra ny sainay ka ho mendrika hiombom-boninahitra amin’i Masina Maria nampankarina any an-danitra izahay » (Vavaka fangatahana), hidera sy hisaotra anao mandrakizay.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *