Alarobia faha-19 mandavantaona

Alarobia faha-19 mandavantaona

Ezekiela 9, 1-22/Salamo 112
Boky Deteronomy 34, 1-12 /Salamo 65
Md Matio 18, 15-20

Raha diso taminao ny rahalahinao dia manatòna azy, ka rehefa mitokana ianareo dia asehoy azy ny hadisoany. Ny tanjona dia ny mba hahazo ny rahalahy, ny hahasambatra azy, ny hahalalany fa ny fahadisoany dia tsy mahasambatra azy. Ny fahotana manko dia izay manao azy no andevoziny voalohany, potehiny tsy ho zanak’Andriamanitra intsony, ka tsy ho afaka ny handova ny Fanjakan’ny Lanitra. 

Am-pitiavana mandrakariva no hitenenana ny marina, hoy i Md Paoly (Ef 4, 15). Ny Jody dia amporisihin’ny Deteronomy tsy hitahiry alahelo amin’ny rahalahy ary hampiseho miharihary ny fahadisoany mba tsy hahazoana heloka ho an’ny tena (Det 19, 17-18). Mampalahelo rehefa ny fitia te hisehoseho na ny fanamparam-pahefana fa tsy ny fitiavana no manentana ny fo “hananatra” dia adino ny hafatr’i Jesoa hoe: μεταξὺ σοῦ καὶ αὐτοῦ μόνου (Mat 18, 15), μόνος (monos), izany hoe mitokana, tsy eny imasom-bahoaka fa any amin’ny tsy misy mpahita, tsy misy mpamonjy, aminao sy izy irery no hanaovana izany. 

Iza tokoa moa ny olona nahavita ratsy taminao ka hanaiky hitokana hiaraka aminao any amin’ny mangingina? Raha tsy matoky anao izy dia mazava loatra fa ahiahy no hameno ny fony ka tsy ho azonao hotaomina any amin’ny mangingina izany izy, sao hovalianao faty any. Mba hahafahana mananatra ny rahalahy araka ny tenin’i Jesoa araka izany dia tsy maintsy azo aloha ny fony, hahatokisany anao. Mety tsy hihaino anao anefa izy, ka amin’izay no hiezahanao haka vavolombelona, hahatsapany fa tsy mendrika ny maha-zanaka ny fiainany. Raha tsy mihaino ireo izy, izany hoe mbola manohy manao ny ratsy ataony ihany dia eo anatrehan’ny Fiangonana no hilazana ny hadisoany, tsy hanilihana azy sanatria fa hanampiana azy mba hibebaka ka hihaina ny maha-zanaka, tsy andevozin’ny fahotana. Raha tsy mihaino ny Fiangonana izy dia atao tahaka ny Jentily sy ny Poblikana. 

Atao ahoana moa ny Jentily sy ny Poblikana? Ireo no niarahan’i Jesoa nisakafo. Izany no nahagaga ny Farisiana ka nahatonga azy ireo vaky vava tamin’ny mpianatra hoe nahoana ny Mpampianatr’izy ireo no miara-mihinana amin’ny Poblikana sy ny olona ratsy fitondran-tena (Mt 9, 11). Ny fitiavana no fanafody hahafahana manasitrana ny ratram-pahotana ka mila tiavina bebe kokoa izay tsy afa-mitia ka andevozin’ny fahotana. 

Ny fahefana nomen’i Jesoa ny Apostoly hamehy sy hamaha dia tsy maintsy hiainana araka izany fitiavana izany, ka ny hahavonjy ny rahalahy no tanjona, eny fa na dia hamelàna ny 99 any an-tendrombohitra aza, eny fa na dia hamoizana ny aina aza. Isika koa, tsy Piera ihany, dia antsoina mba hamehy sy hamaha, hitady ny fomba rehetra hanahafana ny Ray izay tia ny hahavonjy ny olona rehetra. Aza mitsara dia tsy hotsaraina ianareo satria ny famarana hamaranareo ihany no hamarana ho anareo (Mt 7, 1-2). Izay te ho voavonjy dia tsy maintsy hampiasa ny famaran’ny fitiavana sy ny famindram-pon’ilay Ray. Famindram-po tsy misy fetra. 

Na aiza na aiza misy Fiangonana mivavaka, izany hoe mitady ny fomba hanampiana ny rahalahy mba hibabeka ka ho voavonjy dia hohenoim-bavaka izy. Tsy sanatria ny fomba hanilihana ka hitanisana ny lalàna no handaniana ny fotoam-pivavahana. Ny lalàn’ny Fiangonana aza dia azo fintinina amin’ny fehezan-teny tokana ny zavatra kendreny: ny famonjena ny fanahy (Canon farany 1752).

Hifanaiky (συμφωνέω sumphoneo) anie isika hitady ny hahasoa sy ny hahavonjy ny olona rehetra, mino fa eo afovoantsika mivory amin’ny anarany i Kristy, hankahery antsika ho tonga taratry ny fitiavany. 

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *