Trinitera Malagasy
17 desambra

17 desambra

Njara Pascal
  • Jenezy 49,2.8-10
  •  Salamo 71
  • Md Matio 1,1-17

Ambaran’ny tantara mahazatra antsika fa zanak’i Joachim izay avy amin’ny fianakavian’i Davida Mpanjaka sy i Anne izay avy amin’ny fianakavian’i Aarôna Mpisorona moa i Masina Maria. Izy no ilay Virjiny, “tonga satria tsy maintsy miteraka”, voafidy ho renin’ilay hiandry ny ondry amin’ny herin’Andriamanitra, ilay ho fiadanan’ny Vahoaka dia i Jesoa, ilay Kristy, zanak’i Abrahama, zanak’i Davida.

Amin’ny andininy faha-17 amin’ny Evanjely anio dia lazain’i Md Matio fa 14 ny taranaka nanomboka tamin’i Abrahama ka hatramin’i Davida, 14 nanomboka tamin’i Davida ka hatramin’ny fahababoana tany Jerosalema, ary 14 nanomboka tany Babilôna ka hatramin’i Kristy. Saika miray hevitra avokoa moa ny mpandinika rehetra ny amin’ny hoe 14, izay isa tambatry ny anaran’i Davida [Dwd: d ד))=4, w (ו)=6; 4+6+4=14].

Rehefa isaina anefa ireo taranaka voatanisa, dia 13 avy amin’i Abrahama hatramin’i Davida, ary ao anatin’izay dia itanisana vehivavy 3: i Tamara, ilay nisandoka ho mpivaro-tena mba hahazoany taranaka avy amin’i Jodà, rafozany (Jen 38); i Rahaba ilay mpivaro-tena nampiantrano ny mpisafo tany tao Jerikao (Jos 2), tonga vadin’i Salômôna; i Rota, Moabita, vinantovavin’i Noemì notoroany hevitra hisarizoro amin’i Bôoza, fianakaviany ka tonga vadiny (Rt 3–4).

Avy eo amin’i Davida ka hatramin’ny fahababoana indray kosa, raha isaina ny Mpanjaka hita ao amin’ny tantara, ireo izay nanjaka tany amin’ny faritr’i Jodà, araka ny Bokin’ny Mpanjaka sy ny Tantara dia tsy 14 fa 18 miaraka amin’i Salômôna izay farany nanjaka tamin’ny faritra roa nitambatra, satria i Rôboama (931-913 tal. J.K.) no nanjaka tany Atsimo. Nisy mpanjaka telo teo anelanelan’i Jôrama (848-841 tal. J.K.) sy Ôziasa (781-740 tal. J.K) tsy notononin’i Matio ao anaty tetiarana: dia i Akazià, i Jôasa sy i Amasiasa (jer. 1Tan 3,11). Heverina fa ny fifangaroana anarana teo amin’i Akazià na Akaziasa (’Ăḥazyahou na ’Ăḥazyah amin’ny teny hebrio) sy i Ôkôziasa (Ochozias amin’ny teny grika) izay nantsoina koa hoe Azarià (Azariasa) na Ôziasa no nahatonga izany. Amin’ireo mpanjaka 14 voatanisa ireo anefa, dia i Davida irery ihany no nofaritana mazava hoe: ilay Mpanjaka (jer. and. 6).

Ny antony ametrahan’i Jesoa amintsika ny fanontaniana hoe: “nahoana no lazain’ny Mpanora-dalàna hoe Zanak’i Davida i Kristy” (Mk 12,35), dia ny mba hahafahantsika mahalala marina tokoa hoe “iza Izy”. Eto amin’ity andininy faha-14 ity dia misy vehivavy iray voalaza koa: ny vadin’i Orìa izay novonoin’i Davida (2Sam 11), vadin’olona niterahany an’i Salômôna, razam-be manaraka an’i Davida voaraikitra ao amin’ny tetiaran’i Matio. Sady nangala-badin’olona izany ilay “Mpanjaka” razam-ben’ny Mesia no namono olona.

Ny 2Sam 7,4-16 dia mitantara ny fampanantenan’Andriamanitra an’i Davida fa ny taranany  no hanjaka mandrakizay, satria Izy Andriamanitra no hanome azy ny fiandrianana. Tsara hotadidiana ihany anefa ny nanjo ireo zanaka naterak’i Davida: ny lahimatoa (Amnôna) novonoin’i Absalôma zandriny (2Sam 13), i Absalôma nikomy nanohitra an’i Davida ka maty novonoin’i Jôaba (2Sam 18). Tokony ho i Adôniasy no handova, saingy noho ny hafetsen’i Betsabea dia i Salômôna zanany no nofidìn’i Davida ho mpandova azy, ary i Salômôna kosa nampamono an’i Adoniasy (1Mpanjaka 2). Maty i Salômôna dia nizara roa ny Fanjakana. Ady sy fandrombaham-pahefana araka izany no nanjaka tao amin’ny tranon’i Davida. Saingy avy amin’izany no nofidìn’Andriamanitra hipoiran’ny Zanany, avy amin’i Josefa, taranak’i Davida. Na dia tapitra tamin’ny fanjanahan’ny Babilôna aza ny fanjakan’Israely (586 tal. J.K.) dia namelombelona tao am-pony izany fanantenana izany ihany ny taranany rehetra.

Avy eo amin’i Jekôniasa kosa indray, hatramin’i Josefa dia tsy 14 fa 12 no taranaka voalaza eo. Ary raha isaina ny hoe niteraka, hatrany amin’i Abrahama niteraka (egennèsen = matoanteny mpanao avy amin’ny gennao –miteraka– fotoana aorista) an’i Isaaka ka hatramin’i Jakôba niteraka an’i Josefa dia 13+14+12=39 izany, ka ny faha 40 dia egennèthè (nateraka -matoanteny iharana avy amin’ny gennao – fotoana aorista) no ampiasain’i Md Matio. Misy antony araka izany ny tsy namenoany ho 14 ireo taranaka ireo. Tsara halalinina ny mikasika izay. Ny mpandinika sasany dia milaza fa satria Andriamanitra no niantso an’i Abrahama tamin’ny finoana, dia Izy izany no mameno ny laharana faha-14 ao amin’ny fizarana voalohany, zanak’Andriamanitra i Abrahama. Amin’ny antoko fahatelo farany izay 12 fotsiny kosa, dia mahasanganehana ihany, satria tsy mazava loatra ara-tantara ny maha-taranak’i Davida an’i Joachim rain’i Masina Maria. Misy kosa no mihevitra fa ilay Josefa lazain’i Matio ho “vadin’i Maria” no rainy, ka raha izay, dia feno 14 koa ny taranaka hatrany Babilôna ka hatramin’i Jesoa. “Aza miantso na iza na iza ho rainareo ety an-tany…” (Mt 23,9). Ilay Ray tokana, dia ilay Rain’i Abrahama no hany Ray iombonan’ny rehetra.

Maha-very hevitra ihany ny mandinika ny lazain’ny Evanjely, eny fa na dia tsy ny hanome antsika “information” ara-tantara aza no tanjony, indrindra fa ho antsika izay mihira fa “ilay taranak’i Davida ara-nofo” no nofidìn’Andriamanitra ho Mesia, eny fa na dia nolazain’i Md Matio mazava aza fa “tsy nahalala an’i Maria i Josefa ambara-piterany ny Zanany lahimatoa, ary nataony hoe Jesoa no anarany” (Mt 1,25). Raha taranaka ara-nofon’i Davida, araka izany ny Kristy, dia mazava loatra fa i Maria fa tsy i Josefa no tokony hotantarain’ny Evanjely fa taranak’i Davida. I Josefa, zanak’i Davida (and. 20) anefa no nantsoin’ny Anjely hampakatra an’i Maria vadiny.  Izany zavatra izany moa dia mahatonga antsika handinika ny antsipirian’ny Evanjely, satria ao amin’i Md Matio dia i Jakôba no niteraka an’i Josefa izay nolazaina fa “lehilahin’i Maria”, izay niterahana an’i Jesoa; ao amin’i Lioka kosa indray, dia i Elì (Hely) no rain’i Josefa izay nataon’ny olona ho rain’i Jesoa (Lk 3,23). Raha Josefa iray ireo, dia mazava loatra fa roa izany ny dadaben’i Jesoa araka ny Evanjely, ary manahirana ihany izany.

Ny an’i Lioka moa dia anarana betsaka no tsy mitovy akory fa tsy hisy afaka ny hanaporofo ny fahamarinana na tsia ny amin’ny fifandimbiasan’ireo anarana ireo, vao miainga avy eo amin’i Davida dia efa samihafa ny fitantarana: i Matio manohy avy amin’i Salômôna ary i Lioka kosa avy amin’i Natana. Tsy dia izay rahateo koa anefa  no zava-dehibe. Adihevitra mety hamohehatra ny mpihaino aza izany ka tsy hahasoa akory, hoy i Md Paoly ao amin’ny taratasiny ho an’i Timote (2Tm 2,14). Ny zavatra tsy azon’ny saintsika lavina kosa anefa dia manova ny fiainana manontolo ny fahalalàna fa fitiavan’Andriamanitra maimaim-poana no nanomezany antsika ny Zanany Lahitokana ho Mesia hanafaka antsika amin’ny fanandevozan’ny haizina, satria ao Aminy no entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy, araka ny lazain’i Md Paoly (Rm 8).

Raha hiverenantsika kosa ilay fanisana heverina fa nataon’i Md Matio fanahy iniana, ho 13+14+12, dia ao amin’i Jesoa, laharana faha-40, no tanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra. Ao amin’io Zanany io no hiterahany antsika rehetra koa ho zanany.

Tsy i Josefa anefa no niteraka an’i Jesoa, ary na ny dikanteny hitantsika ao amin’ny and. 16 hoe “Maria (vadiny) izay niteraka an’i Jesoa” aza dia tsy mifanaraka amin’ny voasoratra amin’ny teny grika hoe ex ès egennèthè Ièsous ho legomenos Christos: “avy amin’i (Maria) no nateraka i Jesoa ilay antsoina hoe Kristy” (Mt 1,16). Ny hoe egennèthè (nateraka) moa, araka ny efa voalaza teo dia matoanteny iharana avy amin’ny hoe gennaô (miteraka), tsy hita ao ny mpanao ny asa izay tsy hita, dia Andriamanitra. Io lay antsoin’ny mpandalina Baiboly hoe passif divin na passif théologique. Andriamanitra no niteraka avy amin’i Maria (ex Maria) ilay Mesia nampanantenainy an’i Abrahama (Jen 12,3) sy i Davida (2Sam 7). Io fampanantenana io no niezahan’i Matio navoitra tamin’ny tetiarana nataony momba an’i Kristy. I Lioka moa dia manana ny fitantarany manokana, nanangonany izay anarana rehetra hitany tao amin’ny Soratra Masina, hilazany fa i Jesoa, ilay Mesia dia zanak’i Adama, Zanak’Andriamanitra (Lk 3,23-38).

I Maria araka izany no vehivavy faha-5 tafiditra ao amin’ny tetiarana (miaraka amin’i Tamara ilay nanambady rafozana, i Rahaba mpivaro-tena tao Jerikao tonga vadin’i Salmôna, i Rota, nampanambadian’i Noemì rafozany ny havany, i Betsabea vadin’olona nangalarin’i Davida), mba hahatanterahan’ny faminanian’i Mikea hoe: “hiterahan’ilay tsy maintsy miteraka”, satria sady mbola vao fofom-bady tsy niraisan’i Josefa trano izy no virjiny.

Izany rehetra izany dia manambara fa tsy araka ny fanirian’olombelona ny fanjakana sitrak’Andriamanitra hatsangana hanomezam-boninahitra ny anarany, fa araka ny fampanantenany. Ny Evanjely rahampitso moa dia manazava izany.

Ny fiterahana anefa dia fanehoana fanantenana mandrakariva. Izay manaiky hiteraka dia sady manana ny fanantenana hitohizan’ny tantaram-pitiavan’Andriamanitra sy ny vahoakany no manaiky ihany koa ny fanovana tsy maintsy hoentin’ny zanany eo amin’ny lafim-piainana. Isika olombelona no matahotra ny hanana taranaka fangoloka fa ny fiandrasana an’i Kristy, zanaka naterak’i Maria kosa, dia mamelona ny fanantenana fa izay ateraka ka manaiky hotarihin’ny Fanahin’Andriamanitra dia ho mpanjaka hitsara ara-drariny, ho fitahiana ny tany tontolo (Sal 71).

Ianao Filohan’i Davida izay mamoha ny varavaran’ny fanjakana tsy manam-pahataperana, avia ary tsoahy amin’ny fatorany ny voagadra tazonin’ny haizina.

Hanampy antsika hiaina ny maha-zanak’Andriamanitra antsika anie ny fiomanana hankalaza ny fahaterahan’i Kristy.

Partager :

  • Cliquez pour partager sur WhatsApp(ouvre dans une nouvelle fenêtre) WhatsApp
  • Cliquer pour imprimer(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Imprimer
  • Cliquer pour envoyer un lien par e-mail à un ami(ouvre dans une nouvelle fenêtre) E-mail
  • Article
  • Cliquez pour partager sur Telegram(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Telegram
  • Cliquez pour partager sur Reddit(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Reddit
  • Cliquez pour partager sur Threads(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Threads

Toriteny

Post navigation

NEXT
17 desambra: Fankalazana an’i Md Jean de Matha
PREVIOUS
SASINKIRA LEHIBE
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Talata faharoa mandavan-taona
  • Alatsinainy faharoa mandavan-taona
  • ALAHADY FAHA 2 MANDAVAN-TAONA – TAONA A
  • Sabotsy voalohany mandavan-taona
  • Zoma voalohany mandavan-taona

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    janvier 2026
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Déc    

    Archives

    Articles récents

    • Talata faharoa mandavan-taona 19 janvier 2026
    © 2026   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.