14 SEPTAMBRA:FANKALAZANA NY NANANDRATANA NY HAZOFIJALIANA
- Fanisana 21,4-9
- Salamo 77
- Filipianina 2,6-11
- Md Joany 3,13-17
Fa ny 14 septambra 335 kosa, rehefa ny mpanjaka tompon’ny tany sy ny fanjakana no nitokana ny Bazilika naoriny teo amin’ny heverina fa nisy ny fasan’i Jesoa ka nametrahan’ny Amperora Lakroà voahaingo vatosoa teo amin’ny tampon’ny Kalvery, dia ilay Hazofijaliana izay fahamenarana taloha, satria ny fahafatesana mahafa-baraka indrindra, ny fietrena lazain’i Md Paoly amin’ny vakiteny II (Fil 2,6-11) ary nentin’ny tsy mpino nanivaiva ny Kristianina sy ny fivavahany, no tonga rehareha sy famantarana ho an’ny mpino kosa, satria miombona amin’izy ireo ny Mpanjakan’ny tany amin’ny fanajana azy. Sarotra manko nanomboka teo ny hanala baraka ny kristianina satria fihantsiana ady amin’ny amperora Constantin ny mety ho fanimbazimbana ny Lakroà.
Indraindray anefa mampalahelo fa tsy ampiasaina amin’izay tokony ho heviny marina tokoa ny Lakroà, ka ny an’ny sasany dia atao firavaka fotsiny tsotra izao, ny an’ny hafa mety ho karazandrazana “vakana malaimisaraka”, ody lolo sy mosavy, mahatsara vintana. Ho an’izay mino kosa dia mampahatsiaro an’i Kristy maty sy nitsangan-ko velona ka miantso Azy isan’andro isan’ora mba hanolorana ny fiainan’ny tena manontolo koa ho fanarahan-dia Azy.
Tsy ny fanindraindrana ny famantarana manko no hahafahana mitarika ny olona ho any amin’i Kristy fa ny fiainana vonton’ny evanjely asehon’ny kristianina isan’andro eo amin’ny fiaraha-monina. Ny fankalazana anio araka izany dia natao hanampy antsika mba hampisy heviny ny fanaovantsika famantaran’ny hazofijaliana sy ny fanajantsika ny Lakroà apetraka ao am-piangonana, any an-trano na koa hiambozonana eny an-tratra.
Indraindray koa ny zava-masina lasa sampy na ampiasaina tahaka ny ody gasy: mampalahelo raha ny andraikitra tsy ataon’ny olona noho ny hakamoany no heveriny hovahan’Andriamanitra amin’ny fahagagana vokatry ny fikasihana na ny fiambozonana zava-masina na ny fandaniany andro manentsi-keloka ao amin’ny “heveriny ho fivavahana”. Misy olona tokoa maheno ny asan’Andriamanitra anehoany ny voninahiny amin’ny toe-javatra iray dia lasa manompo iny zavatra iny, ka mihevitra fa raha tsy amin’ny alalan’izay famantarana izay dia tsy hahasitrana na tsy hamonjy Andriamanitra. Famantarana iray anefa no omeny mba tsy hahavery izay mino Azy: ny fanandratana an’i Jesoa tahaka ny nanandratana ny bibilava tany an’efitra. Ny Mpianatr’i Jesoa koa dia antsoiny ho malina tahaka ny bibilava, hiezaka hidify sy handositra izay rehetra tsy mitondra amin’ny fiainana na sanatria mety ho risika ho an’ny aina.
Raha olona efa lanaky ny adim-piainana ary ve no hijery ny fatin’Andriamanitra mihantona dia hahazo aina sy ho velom-panantenana? Sa sanatria vao mainka ho kivy satria folaka andry niankinana? Izay no misterin’ny Lakroà: Andriamanitra voasandratra, ka ny nanandratana Azy, hoy i Md Joany no lalana hiverenany any amin’ny voninahitry ny Ray, ka hanehoany amintsika ny maha-Ilay Misy (YHWH) Azy, araka ny anarana nomeny mba hahalalan’i Môizy Azy.
Tsy Andriamanitry ny “fahagagana” ny Andriamanitsika fa Andriamanitra nomena “hitoetra” (Emanoela) eo anivontsika ka miaraka amintsika eo anivon’ny fijaliana mba hahatsiarovantsika fa ny fiainany “izay mandrakizay” no omeny ho antsika.
Ny Evanjely[1] (Jo 3,13-17) moa dia manohy ny fampianaran’i Joany mikasika an’i Jesoa, tena Andriamanitra fa tena olombelona koa, ary mampiditra antsika amin’ny fibanjinana lalindalina kokoa ny misterin’ny hazofijaliana nihantonan’ilay Zanak’Andriamanitra. Io no Mistery hahafahantsika mahazo ny zavatry ny lanitra ka hifandraisana Aminy, hiraisana aina Aminy, ka raha manaiky hiara-maty Aminy dia hiara-belona Aminy koa. I Jesoa irery ihany no “nidina avy any an-danitra”, ka afaka manoro antsika ny lalana “miakatra” mankany. Ny finoana entina mijery Azy nahantona tamin’ny hazo dia midika ho fanarahan-dia Azy. Ny Fanahy nomeny tamin’Izy nolefonina no manome antsika ny fahazoana ho tonga zanak’Andriamanitra (Jo 1,12; 19,30).
Hijery izay nolefonina izy! (Jo 19,37). Ny fahatanterahan’ny faminanian’i Zakaria (Za 12,10) amin’ny fibanjinantsika an’i Kristy voafantsika anie hanampy antsika koa handray ny Fanahy fahasoavana amam-pifonana.
Izay tsy mino fa “Izy mihantona eo amin’ny hazo” no voninahitr’Andriamanitra dia ho faty ao amin’ny fahotany. Tsy finoana mijanona amin’ny fikarohana Azy fotsiny anefa izany. Mampandinika ny tenin’i Jesoa hoe : “handeha aho ka hitady ahy ianareo, ary ho faty amin’ny fahotanareo ianareo” (Jo 8,21). Tokony ho fitokisana ho antsika anefa ny antony nahatongavany: tsy hitsara fa hamonjy.
Tsara ny hiezahana hibanjinaka hinoana an’i Jesoa nietry tena ho andevo, nanompo ny olona rehetra ka nanaiky ho faty teo amin’ny hazo mba hanome antsika ny aina hahavelomana tsy ho an’ny tena intsony fa ho Azy velona mandrakizay, amin’ny fanompoana ny olombelona rehetra.
Teo amin’i Israely dia fahotana lehibe ny fanompoan-tsampy sy ny fanaovana sarin’andriamani-tsy miteny hotompoina. Tsy sasatry ny mandika lalàna anefa ny vahoaka “mafy hatoka” (Eks 32,9). Rahefa nanao sarivongana miendrika zanak’omby ho an’ny vahoaka nimenomenona i Aarôna, izay noheverin’ny Israelita fa tahaka ny andriamanitra Ptah (sarin’ombalahy, barea) tao Memphis ihany, dia noheverin’izy ireo fa hamaly izay nanaraka ny didiny amin’ny fahasoavana sy ny fahavokaran’ny tany ary hanafay kosa ny mpanota io sampy io. Nandritra an’i Môizy nivavaka tamin’i YHWH tany an-tendrombohitra no nanefen’izy ireo an’izany (Eks 32,1-6). “Nahatezitra” an’Andriamanitra izany, fa nitalaho ho an’ny vahoaka kosa i Môizy mba tsy hanafaizan’ny Tompo azy ireo. (Eks 32,7-14). Tsy azo hadinoina fa mbola nanjavozavo tao amin’ireo vahoaka ireo ny endrik’Ilay Andriamanitra “Ray”, izay asehon’i Jesoa antsika.
Tsara hotsarovana ny tonom-bavaka nataon’i Môizy mba hangatahana fifonana ho an’ny vahoaka: tsy fialan-tsiny amin’izay ota be vava nataon’izy ireo, fa fitanisana kosa ny fitiavana mandrakizay nasehon’ilay nampanantena ny fahasambarana ho an’ny vahoakany. Izany no atao hoe mivavaka: mametraka ny fitokisana eo am-pelatanan’ilay Tia tsy misy tambiny, ilay tonga hitsara mba hanavotra fa tsy hamono (Evanjely).
Voalazan’ny Boky Fanisana anefa fa Andriamanitra no nampanao sarina bibilava an’i Môizy, dia bibilava varahina no nataony ka velona izay nijery azy nihantona teo amin’ny tsato-kazo (Fan 21), inona no mahasamihafa ny sarin’omby sy ny bibilava varahina?
“Bibilava mahamay” (שָׂרָף sārāph) mitovy amin’izay nanaikitra ny vahoaka no nasain’Andriamanitra nataon’i Môizy. Fanandratana toy izany no famantaram-pamonjena. Ny fitovizana amin’ny fahorian’ny vahoaka izany no endrika tian’Andriamanitra hisehoana, kanefa moramora kokoa ho antsika ny hanompo andriamanitra varahina, afaka maneho hery sy tanjaka. Izay nitodika tany amin’ilay bibilava mitovy amin’ny halemen’ny vahoaka anefa dia sitrana, hoy ny Boky Fahendrena, tsy noho ny zavatra hitan’ny masony anefa, fa noho Andriamanitra, Mpamonjy ny olona rehetra (Fah 16,7).
Mampahatsiaro ny bibilava “nanaikitra” ka nahatonga an’i Adama sy Eva hikomy amin’Andriamanitra izany rehetra izany (Jen 3,1-5). Naniry ny hitovy amin’Andriamanitra izy ireo satria noheveriny ho fahabangana ny maha-olombelona naharian’Andriamanitra azy ireo. Andriamanitra kosa, nanaiky ny ho tonga olombelona mba hanehoany amintsika ny hakanton’ny maha-zanany, nohariany hitovy endrika Aminy antsika. Ary ny faneken’i Kristy hatramin’ny fahafatesana mahafa-baraka kosa no lalana itondrany antsika amin’ny fahasambaran’ny lanitra, hiombona tanteraka amin’ny voninahitra nahariany antsika talohan’izao tontolo izao, hoy i Md Paoly (Ef 1,4).
Rehefa mandeha amin’ny tany efitr’i Sinaia dia hafatrafaran’ny “guide”, ireo mpanoro lalana any, mba hanao kiraro tsara sao voakaikitry ny bibilava kely miafina anaty fasika satria mahafaty (vénimeux). Ny vahoaka hebrio koa nandalo tamin’izany faritra izany ka nisy voakaikitra (mety hoe tsy nijery lalana) ary nahafatesana betsaka. Nisy zavatra hafa anefa nanaikitra sy nampijaly bebe kokoa an’ity vahoaka ity. Fanantenana fahasambarana, tany tondra-dronono aman-tantely no tao an-tsainy saingy venjivenjy tsisy mofo tsisy rano tany an’efitra no nanjo. Efa monamonain’ny hanina tsy fantatra anarana (man’ hou) izy ireo ka adinony ny hamafisan’ny fahoriana tany Ejipta, ka nony avy nimonomonina tamin’Andriamanitra sy Môizy Mpanompony dia nihevitra fa sazim-pahotana avy amin’Andriamanitra ny bibilava sy ny fijaliana rehetra. Na isika efa nahalala an’i Kristy aza mbola misy mihevitra tahaka azy ireo ihany koa, mihevitra hanara-dia an’i Jesoa sy ny Evanjeliny fa rehefa kotranin’ny adim-piainana dia mivarilavo amin’ny risoriso sy ny fahalovana isan-karazany ary mihevitra avy eo fa sazy avy amin’Andriamanitra ny vokatry ny hadalany sy ny fahotany.
Ho an’ny vahoaka tamin’izany andro izany dia sady famantaram-pamonjena ny bibilava (indrindra ho an’ny madianita nisy ny rafozan’i Môizy, ampiasaina amin’ny farmasia ankehitriny) no mampidi-doza ihany koa. Voalazan’ny vakiteny anio fa nasain’Andriamanitra nanao bibilava mahamay i Môizy dia bibilava varahina no nataony ka velona izay nijery azy nihantona teo amin’ny tsatokazo. Araka ny lovan-tsofina dia notehirizina tao an-tempoly tao Jerosalema io bibilava varahina io saingy nopotipotehin’i Ezekiasa zanak’i Akaza (ilay mpanjaka hendry nanao izay mahitsy teo imason’i YHWH, zanaky ny virjiny) satria ho azy dia fanompoan-tsampy tsotra izao izany (2Mp 18,4).
Ny loza amin’ny fanompoan-tsampy dia ny fiheverana fa hovahan’Andriamanitra amin’ny fahagagana vokatry ny fikasihana na ny fiambozonana zava-masina, na vokatry ny vavaka piliavava ny andraikitra tsy vitany na tsy tiany hatao; indraindray koa adino fa ny zava-masina dia famantarana ihany: tsy ny zavatra hitan’ny masony fa ilay Andriamanitra mpamonjy ny olona no nahasitrana ireo nibanjina ny bibilavan’i Môizy, hoy ny Bokin’ny fahendrena (Fah 16,7), manome ny fanazavana ny amin’ny maha samihafa ny bibilava varahina sy ny sarin-tsampy rehetra.
Izany no tokony havalintsika izay milaza fa manompo sampy isika amin’ny sary sy sarivongana mameno trano fiangonana: tsy ny zavatra hitan’ny masony fa ilay Andriamanitra mpamonjy ny olona no mahasitrana ireo mibanjina ireny sary mitory ny asan’Andriamanitra ao amin’ny olomasiny ireny. I Jesoa nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana no famantarana lehibe indrindra nomen’Andriamanitra antsika, ka amin’ny fibanjinana Azy no hidirantsika amin’ny fiainana mandrakizay (izay lazain’i Joany fa ny Fahalalàna an’Andriamanitra Jo 17,3) raha hinoantsika fa Izy no hafenoan’ny fanambarana ny Ray (Révélation): Andriamanitra manaiky ho faty, toy izay hamaly faty. Izay mino (πιστεύω – pisteuô) Azy, izany hoe izay mametraka ny fitokisany rehetra Aminy no hanana ny fiainana mandrakizay, ka hanandrana ny fiainam-pahasambarana ao amin’Andriamanitra, tsy aorian’ny fahafatesana (satria tsy ho faty intsony, Joany 6 manontolo) fa dieny izao “anio” izao.
Anjarantsika àry ny mandray an-tanana ny fiainantsika, sao sanatria mbola fitadiavana ny haren’izao tontolo izao no mameno ny faniriantsika, ka mazava loatra fa ny fahazoana izany harena izany no ho zary fanalana alahelo avy eo, fa tsy ny fampiasana izay efa nomen’Andriamanitra mba hanasoavana ny tena sy ny hafa. Raha fitadiavana ny Fanjakan’ny Lanitra kosa anefa no imatimatesantsika, dia ny harena avy amin’ilay Fanahy, tsy hita maso na ren’ny sofina fa miasa eo anivon’ny Eglizy no ho fanalana alahelo omeny, dia ny Fiainana Mandrakizay, ary tsy azo hadinoina fa ny tsy fahafatesana mandrakizay no valisoan’ny finoana (Jo 6).
Manampy antsika hahazo bebe kokoa izany fitiavan’Andriamanitra izany ny tohin’ny Evanjely.
Andriamanitra dia tsy naniraka ny Zanany teo amin’izao tontolo izao mba hitsara izao tontolo izao fa mba hamonjy an’izao tontolo izao.
Amin’ny fomba fisainan’ny olona dia izay nanao ratsy no saziana, ary indraindray koa dia izany no heverina ho fisainan’Andriamanitra. Ny fahotana, tsy hoe miteraka voka-dratsy ho an’ny hafa fotsiny, fa manimba ny fiainana sy ny fahasambaran’izay nanao azy voalohany indrindra. Noho izany dia alahelo ho an’Andriamanitra ny fahorian’ny zanany nahavita ratsy. Ny faniriany amin’ny maha Ray Azy, dia ny hanafaka ny zanany rehetra amin’ny fahotana ka hahasambatra azy ireo. Ny fahotana dia tsy fahalalana, haizina, izany hoe fahajambana, ka ny hazavana no nalefan’Izy Ray mba ho antsika, hampisava ny haizina, ka hahitana ny lalana mitondra amin’ny fahasambarana.
Nahoana moa no tsy Izy Ray mihitsy no nidina hamonjy antsika? Nahoana no nandefa ny Zanany Izy? Ny antony mazava dia mba hanehoany ny fitiavan-dRay tsy mivadika ananany (חֶסֶד – ḥesedh), ka hanaporofoany amintsika fa ny fitiavana nitiavany an’io Zanany Lahitokana io no itiavany antsika tsirairay ihany koa (Jo 17,23). Etsy an-kilany koa, avy amin’ny fibanjinana ny Zanany no hianarantsika kosa indray ny fitiavan-janaka, hitiavantsika an’Andriamanitra Ray tahaka ny hitiavan’ny Zanaka Azy (Jo 15,9). Ny fahatsapana izany no mahatonga ny Evanjely hilaza amintsika fa raha misy milaza amintsika fa ho tonga ny farandro, dia “asandratra ny loha fa efa akaiky ny fanavotana antsika” (Lk 21,28). Izany no mahatonga ny Kristianina hivavaka mba ho avy haingana Izy Tompo: Maran atha, Tongava ry Jesoa Tompo (1Kôr 16,12; Fan 22,20).
Ny finoana an’i Jesoa, izany hoe ny fiainana tahaka Azy, mifanaraka amin’ny sitrapon’ny Ray izay tia ny hahavonjy antsika araka izany no hidirantsika amin’ny lalam-pamonjena. Izay tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’ny Ray, mazava loatra dia tsy hifanaraka amin’ny fahasambarantsika, ka fahaverezana. Izay tsy mino ny Anaran’ny Zanak’Andriamanitra dia efa voatsara. “Jesoa” no Anaran’ny Zanak’Andriamanitra ary “Andriamanitra mamonjy” no heviny. Izay tsy mino fa avy amin’Andriamanitra irery ihany ny famonjena dia tsy maintsy hitady famonjena any amin’ny zavatra hafa. Tsy Andriamanitra tsy akory no manary ny zanany, fa izany avonavona hitadiavana famonjena any amin’ny sampy izany no hihantsiana fahaverezana sy hitadiavana faty, hoy ny Boky Fahendrena (Fah 1,12) ka izay mpomba ny demony no hanandrana ny fahafatesana (Fah 2,25).
Ny Finoana dia fiombonana amin’i Jesoa, ary ny fandavana izany fiombonam-piainana Aminy izany no hijanonana any ivelan’ny fahasambarana, hanilihana tena tsy ho zanaka, ka noho izany, tsy ho afaka handova ny Fiainana Mandrakizay.
Izay mandray ny teny dia mandray ny hazavana ary tsy misy haizina afaka hanarona ny hazavana na oviana na oviana. Averiko matetika ny hoe: raha toa ka ao amin’ny trano iray mirehitra jiro, raha vohaina ny varavaran-kely amin’ny alina maizin-kitroka, ny hazavana avy ao an-trano no mivoaka fa tsy ny haizina avy any ivelany tsy akory no hiditra. Mila mitandrina fotsiny, sao jiro matahotra rivotra, ka ho faty tsy hahatanty ny fitsokany.
Izay no lazain’i Jesoa amin’i Nikôdema. Izay matahotra ny hazavana dia tokony handini-tena satria ratsy ny asany. Mbola misy zavatra afenimpenintsika ve? Matoa izy afenina na iafenana dia satria ratsy. Matoa misy olona mahatsiaro voateny matetika, bedy matetika, voatsindron’ny teny ren’ny sofiny, dia tokony handini-tena izy ary hisaotra an’Andriamanitra raha mbola misy hazavana manilo ny haiziNY ao. Fangorahan’Andriamanitra no andefasany mpitondra teny fananarana (2Tan 36,15). Raha tsy manana ny hazavana ao anatinao kosa ianao no mandrindrina ny tranonao, manidy ny fonao tsy handray ny Teny mety hahavelona, dia hihidy ao amin’ny haizina. Safidy malalaky ny olona anefa ny ho sambatra, ny hiaina ny fahafahan’ny andro, na sanatria hisitrika ao anatin’ny haizin’ny alina.
Izay manao ny marina no manatona ny fahazavana. Tsy afaka ny hanao ny marina anefa raha tsy mahafantatra ny marina. Tsy ny marina araka ny saim-pantatsika manko no hitondra amin’ny fahazavana, fa izay marina mifanaraka amin’ny hazofijalian’i Jesoa: hazo mitondra famonjena ho an’izao tontolo izao fa hazo mitondra fahafatesana kosa ho an’izay mandray azy. Izay zavatra atao ka tsy mitondra famonjena araka izany dia tsy mitondra hazavana na oviana na oviana. Izay asa atao ao amin’ny hazavana dia tsy hitadiavana ny voninahitry ny tena fa hikatsahana kosa ny voninahitr’Andriamanitra lehibe indrindra (Md Ignace de Loyola), hikatsahana ny tombontsoan’i Kristy irery ihany (Md Jean de Matha).
Ho asa ireharehana, satria atao eo anatrehan’Andriamanitra anie ny asantsika, ka sady hahasambatra, dieny amin’ity fiainana ity no tsy hahamenatra rehefa hiseho ilay hazavana handray ny zanak’Andriamanitra rehetra any amin’ny mandrakizay.
Isika main’ny adim-piainana, reraky ny ady, miaritra ny tsy rariny, mitondra (sy mampitondra koa) hazofijaliana ny hafa! tahaka ireo voakaikitry ny bibilava tany an’efitra, tamin’ny andron’i Môizy, dia antsoina hibanjina an’i Kristy mifantsika. Isaky ny mibanjina ny Lakroa àry isika, fa indrindra isaky ny manao ny famantaran’ny hazofijaliana, dia tokony hahatsapa bebe kokoa hatrany ny fitiavan’ilay nanaiky ho faty mba hisolo voina antsika teo ka hampitombo koa ny fitiavantsika Azy, hakantsika tahaka Azy, amin’ny fitondrana ny hazofijaliantsika hitiavana araka ny didiny. Angatahontsika ny Fanahy mba hanamasina sy hanome hasina ny asan’ny olombelona rehetra, sitrak’i Kristy atolotra ho tonga vatana aman-drany, ho Eokaristia, hamelona antsika ho amin’ny fiainana mandrakizay.
Izany no mampisy hasiny ny fijaliana mety tojo antsika ka tsy maintsy hiaretantsika mba hitiavana, eny fa na dia handavana ny tombontsoan’ny tena manokana aza, satria tsy misy manana fitiavana lehibe kokoa noho izay mahafoy ny ainy ho an’izay hotiaviny (Jo 15,13). Ho zary antso hitiavantsika bebe kokoa hatrany anie ny Lakroa, hanomana antsika ho amin’ny hafalian’ny Paka, handrisika antsika hifady hanina, hivavaka sy hiantra ireo osa kokoa noho isika, fa indrindra amin’ny fandraisana anjara amin’ny sorona izay loharanom-panafody maharitra mandrakizay ka tsy hikatsaka afa-tsy izay mendrika sy mahafaly an’Andriamanitra Avo indrindra.
[1] Jereo Evanjely Alahady IV karemy taona B (Jo 3,14-21)