Trinitera Malagasy
06 aogositra: Fankalazana ny niovan’ny Tompo tarehy

06 aogositra: Fankalazana ny niovan’ny Tompo tarehy

Njara Pascal
  • Daniela 7,9-10.13-14
  • Salamo 96
  • 2Piera 1,16-19
  • Md Matio 17,1-9

Tsy azo sarahina ny fitantarana ny fiekem-pinoan’i Piera izay voafidy ho vato anorenana ny Fiangonana (Mt 16,13-19) sy ny Fiovan’ny Tompo tarehy (Mt 17,1-9) izay lazain’i Matio fa niseho afaka henemana taorian’izay. Ny havaloan’andro lazain’i Lioka dia manampy antsika hahazo ny fetin’ny Pantekôty, fetin’ny lalàna vaovao, fomban’ny jody ny mivavaka havaloan’andro mba hanomana ny fo handray ny Lalàna sy hivelona amin’ny fiainana azy. Ny takela-baton’ny Lalàna anefa tsy mahavoky ho an’izay mbola fatra-pitady ny mofo, misy ny mivavaka kanefa toa mahatsapa fa vao mainka toa miha-ratsy ny fandehan-javatra, satria tsy miandry ny fivoarany araka an’Andriamanitra fa araka izay nirin’ny fony. Ny fandinihana ny fiovan’ny Tompo tarehy no manampy antsika hahazo fa Lalàna vaovao no mitondra antsika amin’ny tranolay vaovao honenan’Andriamanitra. Tsy ny mofo ihany no mahavelona fa ny Teny entin’Andriamanitra mahary sy mitahy ny aina, raisina ka hiainan’izay mandà ny tenany sy manaiky ny ho mpanompo, tahaka an’Andriamanitra.

Raha te handalina izany fifandraisany izany dia azo vakiana ny Boky nosoratan’i Papa Benoit XVI, Jesoan’i Nazareta, ny toko faha 9 izay hitantarany ny Fiekem-pinoan’i Piera sy ny Fiovan’ny Tompo Tarehy. Ao no hanazavany ny fifandraisan’ny Fiovana Tarehy sy ny Eks 24 izay nihaonan’i Môizy tamin’i YHWH tany an-tendrombohitra… mbamin’ireo fety Jody hafa. Ho an’i Papa BENOIT XVI, ny Fiovana tarehy dia manambara amintsika ny tsiambaratelon’ny vavaka (avvenimento di preghiera). Ny voninahitr’i Kristy tafatsangana no hahafahantsika mahazo ny Soratra Masina. Ho an’izay manana andraikitra manokana amin’ny Fitantanana ny andian’ondrin’i Kristy moa (ray aman-dreny, mpanabe, zoky, pretra, filoha, sns) dia manan-danja manokana ny vavaka, izay hifotoran’ny fanarahan-dia an’i Kristy: « Ity no Zanako Malalako, henoy Izy« , voaantso hihaino ka hiaina ny fiainam-baovao ao amin’i Kristy isika, mialoha ny hitoriana izany amin’ny hafa. Manana adidy haneho ny endrik’Andriamanitra amin’ny hafa manko ny zanak’Andriamanitra rehetra, ka izay efa nahita marina ny endrik’i Kristy no afaka maneho azy amin’ny hafa.

I Môizy sy i Elia dia efa nisantatra ny karemy izay efapolo andro hiomanana hihaona amin’ny Tompo. I Môizy moa, niakatra teny an-tendrombohitra niaraka tamin’i Aarôna sy ny zanany roalahy (Adaba sy Abihò) ary  nijanona efapolo andro sy efapolo alina tany an-tendrombohitra, tao anatin’ny rahona, mba hihaona amin’i YHWH (Eks 24,18); i Elia indray nandeha efapolo andro sy efapolo alina mba hihaona amin’i YHWH any an-tendrombohitra (1Mp 19,8) ary i Kristy dia nivavaka sy nifady hanina tany an’efitra efapolo andro sy efapolo alina mialoha ny niantsoany ny Mpianany (Mt 4, ary tsara raha vakìna koa ireo naoty atoron’ny Baiboly TOB). Tsy azo adinoina ihany koa fa ny fety anio dia fanombohan’ny efapolo andro hiomanana amin’ny Fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny 14 septambra.

I Môizy sy Elia dia taratry ny voninahitr’Andriamanitra, satria izy ireo no vavolombelona nahita ny voninahitr’Andriamanitra nonina tao Sinaia. Ny tranolay fihaonana (Shekinah) dia hahatsiarovan’ny Jody io fisehoan’ny voninahitra nandrakotra ny tendrombohitra nandritra ny henemana io ka ny andro fahafito (afaka henemana) Andriamanitra no niteny tamin’i Môizy. Saingy i Môizy ihany avy eo no naminany ka niteny tamin’ny zanak’i Israely hoe: “Hanangana mpaminany anankiray tahaka ahy eo afovoanao, eo amin’ny rahalahinao, i YHWH Andriamanitrao; hohenoinareo izy” (Dt 18,15).

Ny Lalàna (voasoratra tamin’ny takela-bato) no vavolombelon’ny fiarahan’i YHWH tamin’ny vahoakany (izay ny tranolay voalohany). Ny Mpaminany dia tsy nanao afa-tsy ny nampahatsiaro ny vahoaka mba tsy hanao fo vato ka hiverina hiala amin’ny Lalànan’ny Tompo (izay ny tranolay faharoa). Ilay Teny tonga nofo kosa no ilay “zanak’Andriamanitra”, anaram-boninahitra omena ny zanaky ny Mpanjaka mandray ny fiketraham-panjakana ka asandratra ho Mesia, hiaro sy hitady izay hahasambatra ny vahoaka. Mesia araka ny sitrak’Andriamanitra anefa (Iz 42,1), hanetry tena sy hahalefitra fa tsy araka ny fiheveran-dison’ny olona. Izy no ilay Mpaminany nolazain’i Môizy, ary lazain’ny Ray fa hohenointsika. Ny fihainoana Azy no zary “tranolay” hahatonga antsika ho fonenan’ny Trinite Masina (Jo 14,23). Izy no Emanoela, Tranolay mandrakizay maneho fa miara-monina amin’ny vahoakany Andriamanitra.

Tsy fanangonana ny traikefam-piainana nataontsika ny firosoana ho kristianina. Izay mahita ny voahangy tsara dia tsy maintsy hivarotra (hahafoy) izay rehetra nangoniny hatramin’izay mba hividy azy (Mt 13,45snm). I Môizy sy i Elia dia nanamboatra ny lalana nitondra amin’ny fiainana ihany, jiro manazava ao anatin’ny haizim-pito vokatry ny hamafin’ny fon’olombelona, fa rehefa tonga ilay masoandrobe lohataona dia tsy ho hitan’ny maso intsony izy ireo. I Jesoa irery sisa. Mampalahelo raha mbola afangaro amin’ny sikidy sy ny fanandroana na amin’ny fanompoana andriamani-kafa, eny fa na dia amin’ny fanarahana ny fomban-drazana (raha sanatria tsy mifanaraka amin’ny Evanjely izany) ny finoana an’i Jesoa Kristy. Izay tena tafahaona tamin’i YHWH dia hamirapiratra ny tarehiny (Eks 34,29). 

Niresaka ny fiakarany any Jerosalema tamin’i Môizy sy Elia i Jesoa, hoy i Md Lioka. I Piera kosa nandray fitenenana, miantso an’i Jesoa ho “Rabì – ῥαββί” (Marka), “Mpampianatra – ἐπιστάτης – epistatès” (Lioka), “Tompo – κύριος – kyrios” (Matio) mba hahafahana mitoetra eny an-tendrombohitra, mba hahafahana mitahiry an’Andriamanitra ho azy mandrakizay. Vonona hanorina samirery tranolay telo “aho”, hoy izy (Matio). Manolotra ny tenany ho antsika Andriamanitra saingy tsy azontsika hofehezina kosa amin’izay mety ho fomba na fihevitra na “tranolay” ataontsika (2Sam 7,3; 1Tan 17,4).

Natsangan’Andriamanitra ho zanany isika tamin’ny Batemy noraisintsika, ary azo hararaotina tsara hanavaozana izany voninahitra maha zanaka antsika izany ny Fankalazana anio, ka hahafahantsika mampifanaraka ny fiainana amin’izany. Ambaran’i Kristy fa ilay voninahitra hitan’i Israely amin’ny Fahazavan’ny tava sy ny fitafian’i Môizy (jereo Eks 24,17 sy ny naoty) dia misy heviny  noho ny porofom-pitiavana nasehony teo ambony Hazofijaliana. Ny voninahitra lehibe indrindra azon’Andriamanitra omena, hoy i Md Piera dia ny filazany hoe : “Ity no Zanako malalakoizay sitrako indrindra”[1] (2P 1,16-19). Mampatahotra ny maheno izany, hoy ny Evanjely, ary mahalavo miankohoka amin’ny tany (Mt 17,6), mahatahotra satria mipetraka ilay Mpitsara ka manokatra ny Boky, dia ny bokin’ny fiainana (Vakiteny I Da 7), tahotra mampanontany tena mandrakariva, sao tsy mifanaraka amin’izay maha zanak’Andriamanitra ny fiainana.

I Kristy no fahatanterahan’ny Lalàna sy ny Mpaminany, izany no tanjon’ny Fiainany (Mt 5,17). Ny fahalalana Azy araka ny tena toetrany no hahafahana manahaka Azy, hoy i Md Joany (1Jo 3,2: Tononkiran’ny Kômonio). Ao Aminy no hahafahantsika mitandrina ilay akanjo fotsy porofon’ny nampakarana antsika ho vadiny ao amin’ny Eglizy amin’ny alalan’ireo sakramenta noraisintsika (batemy, kômonio…), tsy ho akanjom-boninahitra sy fety ihany, fa akanjo hanehoana koa ny fahavononan-kanompo, haneho ny maha Mpanjaka antsika amin’ny fampanjakana ny Fitiavana, hiaina ny maha Mpaminany antsika amin’ny Fijoroana ho vavolombelon’ny finoana nekena (na ho Hazofijaliana aza no hiafaran’izany) ary hivelona ny maha Mpisorona amin’ny fiainam-bavaka, hahatsapana fa ny fihaonana amin’ny Ray eny an-tendrombohitry ny fivavahana no hany loharano azo hanovozana ny hery hahafahana mitondra ny hazofijaliana sy manara-dia an’i Kristy amin’ny fihainoana Azy (Lk 9,23)[2] ka hahafahan’ny Ray ihany koa manome voninahitra antsika, amin’ny hanambaràny ny maha zanany antsika, satria taratry ny fitiavany.

Ilay mararin’ny androbe, lazain’ny Perikaopa manaraka ity Evanjely ity (Mt 17,14snm) izay nentin’ilay  rainy tamin’ny mpianatra nefa tsy nahasitrana azy izy ireo, dia entina hanambaràna fa izay tsy miaraka amin’i Kristy eny an-tendrombohitra mba hivavaka dia tsy afaka handroaka ny fanahy maloto. Ao no ahafahantsika manantena ny fiovan-tarehy izay efa nosantarin’i Jesoa Kristy Filoha (prefasy).

Mivavaha mba hampiova ny toetrantsika hitovy endrika amin’i Kristy ny vavaka ataontsika.

[1] Ity no zanako malalako (Salamo 2, 7), ilay malalako (Jenezy 22,2, Isaaka vaovao), ankasitrahako indrindra (Izaia 42,1, Mpanompon’i YHWH), henony Izy (Det 18, 15, ilay Môizy vaovao).

[2] Ny antoka omen’izay te hanara-dia an’i Jesoa nosoratan’i Lioka manelanelana ny Fiekem-pinoan’i Piera sy ny Fiovan’ny Tompo tarehy (Lk 9,23).

Partager :

  • Cliquez pour partager sur Facebook(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Facebook
  • Cliquer pour partager sur X(ouvre dans une nouvelle fenêtre) X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alarobia faha-18 mandavan-taona
PREVIOUS
Talata faha-18 mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • ALAHADY FAHA 16 MANDAVAN-TAONA – Taona D
  • Sabotsy faha 15 mandavan-taona
  • Zoma faha 15 mandavan-taona
  • Alakamisy faha 15 mandavan-taona
  • Alarobia faha 15 mandavan-taona

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    juillet 2025
    D L M M J V S
     12345
    6789101112
    13141516171819
    20212223242526
    2728293031  
    « Juin    

    Archives

    Articles récents

    • ALAHADY FAHA 16 MANDAVAN-TAONA – Taona D 18 juillet 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.