Md Piera sy Paoly

Moa tia ahy ve ianao?

Fety lehibe hoan'ny Eglizy Katolika Romanina anio satria ny apostoly roa izay antsoina amin'ny fomba fiteny frantsay mahazatra hoe "les deux piliers de l'Eglise" no ankalazaina dia i Pierre sy Paul. Asa moa raha mahadika tsara ny hoe "pilier" ny teny hoe andry fa sahala amin'irony tongon-davarangana milanja izay aorina eo amboniny irony mantsy no antsoina amin'io teny io.

Ny fiantsona ny Eglizy hoe Katolika Romanina moa dia mifandray amin'i Md Pierre ihany. Na dia i Kristy mantsy no nanorina ny Eglizy dia tsy nantsoina hoe Eglizy Katolikan'i Jerosalema ny Eglizy katolika. Tany tokoa mantsy no tanàna lehibe niriariavan'ity Andriamanitra naka nofo nonina teto amintsika ity. Katolika Romanina anefa no lasa fiantsoana ny Eglizy noho ny antony tsotsotra efa haintsika ihany. Jesoa dia nisafidy ny hanankina ny Egliziny tamin'ity apostoly ity taorian'ny nilazany ampahibemaso ny finoany "profession de foi" (Mt 16, 18) ary nampanantena fa hivavaka ho azy mba tsy ho diso làlana na ho solafaka ny finoany (Lk 22, 32). Ankalazaina amin'ny 22 Fevrier moa io tranga io dia ilay antsointsika hoe "ny fiketrahan'i Md Pierre" (la chaire de Pierre). I Piera no Papa voalohany, Evekan'i Roma ary maty martiora novonoina teto Roma (araka ny lovan-tsofina dia teo amin'ny toerana misy ny Bazilika mitondra ny anarany eo indrindra no nisehoan'izany ary nandevenana azy rahateo moa) noho ny finoany an'i Kristy. Ny Papa rehetra taty aoriany kosa dia mpandimby azy ary nandray ny fahefana sy ny adidy hitantana izany Eglizy izany. Ny fiantsoana mahazatra ny Eglizy Katolika hoe Romanina izany dia manamarika ny fanekeny io fifampitohizan'ny fahefana noraisin'i Pierre tamin'i Jesoa io ka nifandovalovan'ny apostoly nifandimby hatramin'izao androntsika izao.

Tsetsatsetsa tsy aritra ihany moa iny fa ny tena tiako hifampizarana dia ny tenin'Andriamanitra mifanandrify indrindra amin'izany fankalazana izany. I Piera manokana no ho resahiko fa i Paoly efa be no henontsika momba azy satria taona natokana ho azy rahateo moa ity taona ity (azonao jerena koa eto).

Ry Simona zanak'i Joany, moa tia ahy ve ianao?

Naverin'i Jesoa in-telo tamin'i Piera io fanontaniana io taorian'ny nitsangany ho velona ka nisehoany tamin'ireo mpiany, ary isaky ny valin-tenin'i Piera hoe "eny tiako ianao" dia mitohy amin'ny fanomezana iraka hamahana ny zanak'ondriny sy ny reniondriny ny resaka (Jn 21, 15-17). Fa maninona no naverin'ny Tompo in-telo io fanontaniana io? Jesoa ihany no tena mahay ny valin'io fanontaniana io … afaka mba famakafaka sy fandinika ihany koa anefa isika.

Maro ny mpamakafaka io andalan'ny Soratra Masina io no mampifandray ny fanontaniana miverina in-telo amin'ny fandàvan'i Pierre in-telo an'i Jesoa … ary mety nihevitra toy izany koa i Piera matoa izy nalahelo raha vao naverina in-telo taminy ny fanontaniana. Mety ho marina sy mitombona ihany aloha izany fifandraisana izany. Fa izaho manokana dia tsy izany loatra no fahitako ny tena lesona tian'ny Tompo hampitaina eto. Heveriko fa raha izany no teboka iaingana dia manjary Jesoa manao kajy no torin-tsika … Jesoa manao maso efai-maso, nify efai-nify … namely in-telo ny iray dia asiana in-telo koa izany dia rava ady sahala izany ny baolina. Ny mifanohitra amin'izany indrindra anefa no nampianariny dia ny hanolorana ny takolaka ilany raha misy mamely ny ambadika, na koa ny hitiavana hatramin'ny fahavalo aza (Mt 5, 38-48).

Heveriko fa raha namerina in-telo io fanontaniana io tamin'i Piera i Jesoa dia tsy ilay fandavany Azy in-telo loatra akory no tiany hampahatsiahivina azy satria ny fanomezana natolony ny mpianany taorian'ny fitsanganany ho velona dia ny fiadanana sy ny famelan-keloka (Jn 20, 19-23) fa tsy ny fanefana trosa sy ny fanaovana am-pamoaka momba ny fandavan'ny mpianatra sy ny fitsoahan'izy ireo Azy tamin'ny nisamborana Azy tsy akory ary mety nihevitra toy izany koa i Pierre matoa izy nalahelo raha vao naverina in-telo taminy ny fanontaniana. Mety ho marina sy mitombona ihany aloha izany fifandraisana izany.

Na i Md Augustin aza dia efa nampifandray ireo toe-javatra roa ireo. Hoy indrindra izy tamin’izay: “Aza malahelo ianao ry apostoly raha anontaniana in-telo: valio indray mandeha, indroa, eny in-telo aza. Aoka ny fiekem-pinoanao mba handresy in-telo noho ny fitiavana, satria ny hambom-po diso toerana tao aminao dia resy in-telo noho ny tahotra. Tsy maintsy vahanao in-telo izay nofatoranao in-telo. Vahao amin’ny fitiavana izay nofatoranao tamin’ny tahotra … na izany aza anefa, ny Tompo dia, nanankina ny andian’ondriny tamin’i Pierre indray mandeha, in-droa, in-telo mihintsy aza ny Tompo.”[ Sermons 295, 1-2. 4. 7-8, Patrologiaie Latinae 38, 1348-1352

Ny fahitako azy manokana dia zavatra hafa no tian'i Jesoa hahatongavana tamin'io fanontaniana in-telo misesy io dia ny hanomezan'i Piera valin-teny tena azy manokana (réponse personnelle) ary valin-teny mahasingotra ny tena tokoa no nomena Azy (réponse qui engage la personne), valin-teny omena ampahafantarana tsara ny teny omena (réponse donnée consciencieusement) … Tian'i Jesoa ho valin-teny mandray andraikitra ny an'i Piera (réponse responsable) ka manomana azy hifanaraka amin'izay takian'izany any aoriana … Raha tohizana tokoa mantsy ny famakiana ny tenin'i Jesoa dia hitantsika fa taorian'ny valin-teny fanin-telo nomen'i Piera sy nanankinanany aminy ny reniondriny no nilazan'i Jesoa sahady ny "martiry" miandry azy any aoriana … Martiry izay tsy holavin'i Piera intsony satria vokatry ny valin-teny nomeny ampahalalana tsara ny teny nomeny (réponse consciencieuse). Hoy i Joany mpanoratra ny Evanjely hoe "Izy no nilaza izany dia mba hanambara ny fombam-pahafatesana hanomezan'i Piera voninahitra an'Andriamanitra" (Jn 21, 19). Heveriko izany fa raha namerina in-telo io fanontaniana io i Jesoa hoe "tia ahy ve ianao?" dia satria tiany hapetraka eo alohan'ny valin-teny omeny i Pierre, zay vao omena adidy hamahana ny ondry sy antsoina hanaraka Azy avy eo. Mila manontany tena sy mahatsapa tsara mantsy i Piera hoe tena Fitiavana tokoa ve ny ifandraisany aminy manomboka izao, sao dia mbola ilay fanarahan-dia miandrandra zavatra toy ny tany aloha hoe "indro izahay nandao ny zava-drehetra ka inona no mba valisoa hoazonay amin'izany?" (Mt 19, 27 // Lk 18, 28 …) Rehefa sahy nanome valiteny manokana i Piera dia avy amin'izay ny fanamafisana avy amin'ny Tompo tsy hoe hamahana ny andian'ondriny fotsiny ihany fa mba hanarahany Azy ihany koa … manaraka Azy hatramin'ny fanomezana ny aina toy ny nataon'i Jesoa ho fanavotana izao rehetra izao.

Hevitro moa io, famakafakana manokana mba nateraky ny fandinihana teny ho eny, ary inoako koa anefa fa tsy mifanohitra amin'ny fampianaran'ny Fiangonana. Raha samy hilaza izay heveriny tokoa mantsy ny tsirairay ka tsy mitodika amin'ny lazain'ny Fiangonana dia tsy hoela dia ho feno karazana fiangonana madinidinika ny tany satria samy hilaza ny tiany holazaina sy ny takatry ny lohany ny tsirairay. Ny Tenin'Andriamanitra anefa dia mila vakina ao anaty sy miaraka amin'ny Fiangonana (dans et avec l'Eglise) satria araka ny tenintsika tary ampiandohana dia ny Tompo mihintsy no nanome ny iraka an'i Pierre hitantana izany Egliziny izany ary nomeny toky fa hivavaha ho azy mba tsy ho solafaka ny finoany.

Dia samy ho sahy hanome valin-teny manokana (personnelle) sy tompon'andraikitra (responsabile) ary ho sahy hisedra izay tohin'izany valin-tenintsika izany koa anie isika kristianina rehetra ho toa an'i Piera tsy hitory am-bava fotsiny hoe Tiako ianao fa hanaporofo izany hatramin'ny fanomezana ny mamintsika indrindra ho Azy.

Raha mba tonga amin'izany tokoa mantsy ny Malagasy rehetra mitonona ho kristianina … sy milaza fa tia tanin-drazana, dia mba ho tonga nofo ihany indray andro any ilay hiraina isan-taona amin'ny 26 jiona na matetika noho izay aza hoe "Dia ho tany sambatra ilay Madagasikaranay". Ho tanteraka tokoa anie izany!

Fr. Jean Claude Herménégilde

Aucun commentaire:

YOUTUBE DU PAPE

VAOVAON'NY CHAPITRE MORAMANGA

Tatitra avy amin'i Frère Jean Claude Mpitantsoratry ny Chapitre

Mifarana ny tapany voalohany, natokana ho amin'ny fifidianana ireo ho tompon'andraikitra amin'ny telo taona manaraka.... Eo am-piandrasana ny tapany faharoha hamolavolana ny drafitr'asa sy ny fandaharan'asa amin'ny volana febroary ho avy izao. Voafidy ho MINISITRA PROVINSIALY i Mompera PIERRE RAMANANANDRO, Vikera manampy azy i Mompera MARCEL RAZAKAMADY, ho MPANOLOTSAINA i Mompera JOSE HERNANDEZ SANCHEZ, i Mompera DOMENICO FERRAZZA, i Mompera FRANçOIS XAVIER TSIADIANA ary ny Mpitantsoratra Mompera SOLOFO RAZANAKOTO. Ho entintsika am-bavaka izany adidy mavesatra ankinina amin'izy ireo, hifanohanantsika ho Manome voninahitra ny Trinite Masina sy ho Mpanafaka marina tokoa, araka ny lovam-panahy navelan'i Joany Raintsika

VAOVAO TSELATRA

DOSSIER FIDES
Trinitari e Mercedari

FANDAHARAM-POTOANA

SOSON-KEVITRA AVY AMINAO

Sitrakay tokoa ny handray ny sosonkevitra avy aminao na izay mety ho fanatsarana na ireo vaovao tianao hifampizarana amin'ny Sakaizan'ny Trinitera.

Azonao atao ny manoratra ho anay